Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2017
Atahorana ny Fahasalaman'i Nasser Bin Ghaith, Mpampianatra Ambony Emirati Arabo Mitambatra Gadraina, Hoy ny Vondrona Mpiaro Ny Zo
Notazonina tsy nahazoam-baovao nandritra ny sivy volana i Bin Ghaith ary tsy nahazo sakafo sy akanjo ara-dalàna. manahy ny fahasalamany ankehitriny ireo mpanohana azy.
Naseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Tampony ao Maoritania Ilay Bilaogera Efa Nomelohina Ho Faty Tamin'ny Voalohany
Tamin'ny taona 2014 , nosamborina sy nomelohina ho "nivadi-pinoana" i Ould Mkhaitir noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra iray niresahany ny rafitra fanavakavahan-tsaranga ao Maoritania .
Ny Fahasarotan'ny Fananganana Fiarahana Hanohitra an'i Trump Amin'ny Fomba Mivelatra Sy Andraisan'ny Vehivavy Anjara
"Ry rahalahy sy ranabavy, raha te-hahazo antoka ianareo fa hoe mizotra amin'ny làlana tsara, ireo vehivavy hafa volonkoditra arahana."
Latsa-bato Mihoatra Ny Iray Dia Afaka Mandràra ny Fanambadian'ny Ankizy i Trinidad sy Tobago
Tsy ho ara-dalàna intsony ao Trinidad sy Tobago ny fanambadian'ny ankizy atsy ho atsy. Lany ny volavolan-dalàna momba ny fehezan-dalànan'ny mariazy, izay nampahafantarin'ny mpampanoa lalàna ao Trinidad sy-Tobago tao amin'ny antenimieran-doholona ao amin'ny firenena, folo andro lasa izay
Tsikerain'ny Mpanao Gazety sy ny Media Sosialy Tao An-toerana ny Fitsidihan'ny Filoha Erdogan Tao Mozambika
Tsy nandalo fotsiny imason'ny Mozambikana ny "fanadiovana", izay managadra olona an'arivony, ataon'i Erdogan ao Torkia.
Matahotra Ny Mety Ho Fanakatonana Ny Aterineto Mandritra Ny Fifidianana Filoham-pirenena 2017 Ireo Keniana
Tsy firenena voalohany ao Afrika amin'ny fanakatonana ny Aterinetony mandritra ny fifidianana i Kenya - efa lasa lavitra momba izany i Ogandà sy i Gambia .
Vohitra iray ao Alep,Siria, Lasa Fenitra Vaovao Ny Daroka Balafomanga
Fony lasibatry ny tifitra balafomanga nataon'ny tafika siriana ny vohitra nonenany tao Alep, gaga ilay bilaogera sady mpikatroka, Marcell Shehwaro, saingy tsy tena izany loatra, tamin'ny hafainganan'ny fiverenan'ny fiainan'ny olona ho toy ny "isanandro".
Netizen Report: Didian'i Bahrain ireo Mpampahalala Vaovao Mba ‘Tsy Hampiasa Ny Fitaovan'ny Haino Aman-Jery Elektronika’
Mihatoka, manaiky ny 'Facebook Bill' ireo mpanao lalàna Israeliana, naaton'i Oman ny fanenjehana ireo mpisera amin'ny Facebook ho an'ny fahalalahana miteny, ary atahoran'ireo mpisera ny fanakatonana ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana.
Navotsotry ny Manampahefana Iraniana Tamin'ny Vola Onitra ny vadin'i Arash Sadeghi Taorian'ny Fitokonany Tsy Nihinan-kanina Nandritra ny 71 Andro
Voaheloka i Iraee rehefa avy nisava ny tranony ny Mpiambina Revolisionera ao Iran raha nitady porofo hanenjehana ny vadiny , Arash Sadeghi, mpikatroky ny zo sivily.
Fampitsaharana ny Fanimbinana Taovam-pananahan'ny Vehivavy sy ny Famoràna Azy ao Afrika
Araka ny voalazan'ny OMS, vehivavy 130 tapitrisa no mijaly na nijaly noho ny fahasarotana nateraky ny famoràna:fanimbinana ny taovam-pananahany ary vehivavy telo tapitrisa no mbola iharany.