Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2013
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.
Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray

Ny alin'ny Alakamisy teo, tao Kairo, nosamborina tao an-tranony i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Ahian'ireo mpanohana azy ho natao ho fampiharana ilay lalàna vaovao mandràra ny hetsi-panoherana eny an'arabe ao Ejipta ny nisamborana azy
Nahazo Loka Momba Ny Zon'Olombelona Ny ‘Las Patronas’ Noho Ny Famahanana Ireo Mpifindra-monina
Natolotra an'i Norma Vázquez Romero ny Loka Meksikana momba ny zon'olombelona 2013 noho izy ireo manome sakafo ho an'ireo mpifindra-monina avy ao Amerika Afovoany sy Meksika Atsimo handeha hoany Etazonia.
Fomba Fijery Diso Mbola Miraikitra, Fitsarana An-tendrony Misoko Mangina: Endrik'Olona Mainty Ao Amin'ny Boky Tantara An-tsary Breziliana
"Mbola tsy ampy ny fanehoana an-tsary," hoy ilay mpikaroka tamin'i Luis Henrique nilaza momba ny olona manana endrika mainty amin'ny boky tantara an-tsary. Niresadresaka taminy momba ny asany ny Global Voices.
10 Taona Taorian'ny Bemidin'ny Polisy Nahafatesan'olona, Nosokafan'ny Fitsarana Ekoateriana Indray Ny “Raharaha Fybeca”
Mpanafika sy vondrona polisy manokana tao amin'ny manodidina no nifandona tao amin'ny farmasia Fybeca tamin'ny volana Novambra 2003, ka nahafatesana olona 8, nanjavona 3. Nosokafana indray ny raharaha ankehitriny
Tsy Mahatonga Any Amin'ny Famonoana Ny Fitiavana: Fanentanana Manohitra Ny Famonoana Vehivavy Ao Kolombia
Novonoin'ny saikazany i Nataly Palacios Córdoba, 23 taona tamin'ny volana Aogositra. Niteraka fahatezerana goavana teo amin'ireo namany sy mpiara mianatra aminy izany izay nanapa-kevitra hanao hetsika "Tsy Mamono ny Fitiavana".
Fijerena Akaiky Ny Herisetra Ifanaovan'ny Sekta Ao Pakistana
Nahitàna fifandonana teo amin'ny Siita sy ny Sionita ny volana masin'ny Muharram tao Pakistana
COP19: Mifady Hanina Ho Amin'ny Toetr'Andro
Namaly ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'i Saño ho fanerena hisian'ny fandrosoan'ny dinika momba ny toetr'andro ao amin'ny Firenena Mikambana ny mpikirakira ny Bilaogy sy Twitter.
Yemen: Fitiavana Anaty Fotoan'ny Safotofoto
Ilay Saodiana Huda sy ilay Yemenita Arafat no Romeo sy Juliette amin'izao andro maoderina izao, Noon Arabia no mitatitra
Hanafoana Ny Tobim-piasàn'ny Gadra i Shina
Hazo misy poizina ny fanagadrana ary mahafaly antsika ny mahita ny fanafoanana izany. Saingy eo foana ny tany, ary azo inoana fa hitombo ivelan'ny (ara-dalàna) ny karazan-toby maro hafa.