Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2023
20% amin'ireo mpanjifan'ny fifandraisan-davitra no notsikilovin'ny manampahefana tao Venezoelà
Namoaka tatitra ny orinasa iray goavana an'ny fanjakana. Voaporofo tamin'izany ny fanitsakitsahana fiainana manokana ataon'ny governemantan'i Maduro
Adin'i Pakistana amin'ny asa fanaovan-gazety : Fakàna an-keriny sy fisamborana ireo mpanao gazety malaza
Tsy mitsahatra ny voarahona ireo mpanao gazety ao Pakistana, samborina sy alaina an-keriny noho ireo fanadihadiana ataony mikasika ireo olana saropady. Tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa, marobe ireo mpanao gazety malaza sy mpiasa amin'ny haino aman-jery no natao lasibatra sy novonoina.
Mety tsy ho voamarika izahay, fa misy olona manana fahasembanana tsy hita maso‘
Ny olona manana aretina toy ny aotisma ny fahaketrahana, ny androbe, ny endometriozy, na ny diabeta dia samy manana ny zavatra iombonany: fahasembanana tsy hita maso.
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.
Loza tsy hita maso : Mamely ny vehivavy Yemenita ny vanja milevina
Ny olan'ny vanja milevina,, mampitombo ny olana amin'ny maha-olona efa misy, miteraka fahafatesana sy fahasembanana mampihoron-koditra, indrindra fa amin'ireo vehivavy sy ankizy, manasongadina ny filàna fijerena azy maika.
Nosamborina fa noahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny ilay menavazana mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Hong Kong
Nosamborina teo ivelan'ny fonjan'i Stanley ilay mpikatroka mpiaro ny zon'ny mpiasa, Elizabeth Tang, 65 taona, noho ny fiahiahiana azy ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny rehefa avy nitsidika ny vadiny Lee Chuek Yan izay voampanga ho “nandrisika fikorontanana”.
Ny sesitany ve no hany vahaolana ho an'ireo Mongoliana pelaka?
Manana vondrom-piarahamonina LGBTQ+ mavitrika i Mongolia. Na izany aza, ho azy ireo, ny fiainana pelaka an-karihary dia mety ho sarotra loatra ka mahatonga ny maro hihevitra fa ny sesitany no vahaolana mahomby.
Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City: fankalazàna rakotry ny alahelo
8 Martsa tao Mexico City, taratry ny alahelo iainan'ireo vehivavy meksikàna satria fotsiny vehivavy izy ireo.
Nohadihadian'ny polisy Maleziana momba ny afisy manohana ny LGBTQ+ ireo mpikarakara ny diaben'ny vehivavy
"Tao anatin'ny telo taona farany, nisy ny tsy fahampian'ny hetsika nataon'ny governemantantsika mba hiarovana sy hitandroana ny zon'ny vehivavy sy ireo lahy sy vavy voahilikilika."