Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2020
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Nahoana no nila taona 3 ireo manampahefana ao Pero mba hanadihadiana momba ny famonoana ity ramatoa ity?
Niala olana momba ny fanjavonany ireo manampahefana, tamin'ny filazàna hoe nandao ny vadiny mba hanaraka lehilahy hafa ramatoa
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung
Vao nitafatafa tamin'ny The 88 Project (Tetikasa 88) Rtoa Tran Thi Niem niresahany ny momba an'i Le Anh Hung, zananilahy bilaogera migadra, izay avezivezy any amin'ny toeram-pitsaboana marary saina hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2013.
Voampanga ho mamoaka sary mamoafady ilay mpivarotra niakanjo ‘manaitaitra’ tao amin'ny Facebook tany Kambodza
"Anisan'ny antony fototra amin'ny herisetra ary tsy manafoana izany ka tokony holavina ny fanasaziana ny vehivavy amin'ny safidiny amin'ny fitafiany."
Avy any Soeda hatrany Meksika, manazava ny antony mampanjavona ny teniny ry zareo indizeny
Kilaometatra an'arivony no manasaraka an'ireo firenena Tavaratra ao Eoropa amin'i Meksika sy Pero, saingy manana toetra iraisana ry zareo, ny famotehana ny maripamantarana an'ireo vahoaka teratany ao aminy
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.
Antsary: #8M Ny valo marsa nanerana an'i Amerika Latina
Mihoatra ny iray tapitrisa ny vehivavy nanohitra ny herisetra atao amin'ny vehivavy nanerana an'i Amerika Latina.
‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena
Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.