Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2009

31 Aogositra 2009

Afganistana: Androm-pifidianana an-tsary

Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.

26 Aogositra 2009

Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana

Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny fanolanana...

18 Aogositra 2009

Kioba: Ny Maleconazo

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

16 Aogositra 2009

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

15 Aogositra 2009

Porto Rico: miady tanim-panjakana

Mponin'i Villas del Sol – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary...

14 Aogositra 2009

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i...

04 Aogositra 2009

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity...

02 Aogositra 2009

“Miala fa raha tsy izany…”: Na ny endri-pamoretana mahazo ny gazety ao Madagasikara

Tanora miasa ao amin'ny fanaovan-gazety lehibe iray i VNR. Nafeniny ny laharam-pindainy tamin'ny voalohany niantsoany ahy haontaniany izay antony hitadiavako tafa aminy. Nanaiky ny hihaona tamiko, teny amin'ny toerana be mpandalo eny Anosy Antananarivo, izy sy ny namany mpanao gazety ihany koa ka eny indray no mijery toerana ahafahana miresaka...

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany....