Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2011

30 Avrily 2011

Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina

Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti eraky ny rindrina ao Caire.

29 Avrily 2011

Hongria: Ireo rôma ao Gyöngyöspata, nafindra toerana sa nitsangatsangana paka?

Tato ho ato izao dia foiben'ny fifandirana eo amin'ireo rôma sy ny Hongroa ny faritra avaratr'ity firenena ity. Tao Gyöngyöspata, ohatra, fikambanana ivelan'ny tafika no nilahatra iray volana lasa izay, nilaza fa anisan'ireo mpanara-maso ny faritra manodidina, na dia fantatra aza fa avy amin'ny hery farany havanana izy ireo. Tanàna...

Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata

Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady - samy mandà ny ho tompon'andraikitra nahatonga ny fifandonana ny fokonolona roa...

28 Avrily 2011

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny...

27 Avrily 2011

Pakistana: Ady Atao Amin'ny Taliban Sy Ny Drones

Alaivo sary an-tsaina ny hoe fiainana ao Pakistan; toerana iray izay ny andro tsy isian'ny mpanao vy very ny ainy na fanafihana drone (fiaramanidina baikoana lavitra) indray no toa zary vaovao, ary any ny vahoaka dia miaina ny isa-minitrany amin'ny tebiteby toy ny dona, hatezerana, fikorontanana ary tsy fahatsapana halemena...

Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan

GV Mpisolovava

Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan,izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.

24 Avrily 2011

Bhutan: Ny Pretra no nanjary nidiran'andro voalohany noho ny Didy mandrara ny fihinana paraky

Miankina amin'ny hoe ahoana ny fahitanao azy, pretra Bodista no mpandika lalàna voalohany na ny nidiran'andro voalohany amin'ny Didy mandràra ny fihinana paraky any Bhutan izay nanan-kery nanomboka tamin'ny Janoary 2011,ary nogadraina tamin'ny faran'ny volana Janoary raha izy niezaka niditra ny firenena niaraka tamina fonosana paraky fitsako miisa 72 avy...

23 Avrily 2011

Tetikasa “Exploring Taboos”, diaben'ny vehivavy an-tapitrisa

Rising Voices

Noraiketin'ireo gazety malaza ary koa ny vaovao an'olo-tsotra an-tantara ireo zava-niseho nandritra ny revolisiona Ejyptiana, ka nitodika tany amin'ny fampandrosoana izay niteraka ny fionganan'i Hosni Moubarak tamin'ny 11 febroary 2011 avokoa ny mason'izao tontolo izao. Niara nifarimbona ireo bilaogera na ireo mpira-miasa isan-karazany tamin'ny tetikasa Rising Voices tao Ejypta mba hilazalaza...

22 Avrily 2011

Mozambika: Noravan'ny polisy tamin-kerisetra ny grevy

Ny 6 aprily, mpiasa ao amin'ny sampana polisin'ny Repoblikan'i Mozambika – Hery Vonjy Taitra ( Force d'Intervention Rapide)  – no nampiasa herisetra mba handrava ny fihetsiketseham-panorenana nataon'ireo mpiasa amina orinasa momba ny Fiarovana olo-tsotra Group Four Security (G4S). Toa hita fa ny G4S dia nampidina ny karaman'ireo mpiasany, ary mitaraina izy...