Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2017
Fantaro Ny Fehizoron'ny Vaovao Miaraka Amin'i Emily May-n'ny Hollaback!
Niangavianay i Emily May, mpiara-mamorona ny Hollaback! mba hilazalaza aminay ny momba ny firafitry ny vaovao manodidina ny fanararaotana.
Fahatakarana Ny Olana Venezoeliàna Amin'ny Alàlan'ny Lalao An-dahatsary
Mamela dindo aminà habaka samihafa no sady manamafy karazana fomba fijery isankarazany manodidina ny olana Venezoeliàna ireo fomba fanao feno famoronana hetsi-panoherana ao Venezoelà.
Kambodza: Nosaloran'ny Gazetiboky Glamour Ho Vehivavin'ny Taona (2006) I Somaly Mam
Miasa mafy i Somaly Mam. Miasa mafy izy mba hiatrehana ny lasany. Nandritra ny fahazazany, niaina fanolanana, fampijaliana ary herisetra izy. Nanangana ny ONG AFESIP (Atany Kambodza niaraka tamin'ny vadiny Pierre Legros izy tamin'ny taona 1997, firenena iray ahitana izay anisan'ny olana goavana indrindra ny fanondranana olona an-tsokosoko.
Bangladesh : Ambaran'Ilay Oliravina Teo Aloha Voatsipaka Fa Sisampatin'ny Fampanambadiana Ankizy Izy
"Odianareo tsy hita ny marina fa sisampatin'ny fampanambadiana ankizy izy ary tonga mpilatro sy mpitaingina môtô ikoizana tsy nisy fanohanana avy amin'ny fianakaviana. "
Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa
"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"
Herintaona Taorian'ny Fandraràna Gazety Iray, Mbola Atao Fahirano Hatrany Ny Media Tsy Miankina Ao Oman
Efa maherin'ny herintaona izao no nakaton'ny manampahefana Omeniana ny gazety Azamn tsy miankina amin'ny teny Arabo noho ny fandrakofana ataony mikasika ny kolikoly ao amin'ny Sultanate. Mbola any am-ponja, mamita sazy herintaona an-tranomaizina i Yousef Al-Haj, iray amin'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety.
“Ady Amin'ny Zavamahadomelina” Ataon'ny Fanjakana, Asehon'ireo Famonoana Tanora ny Vesatra Aterany sy Zakain'ireo Vondrom-Piarahamonina Marefo
"Mety hanjo ny rehetra io satria ilay olona lian-drà Duterte mankahery foana ny polisy hamono tsy manaraka ny zotra araka ny lalàna akory, mamboly porofo, ary miaro amin'ilay hazakazaka mihoson-dràny "ady amin'ny rongony".
Fanehoan-kevitra Momba Ny Lahatsary Nisy Mariazin'ny “Mpanjaka” Birmana
Navoaka antserasera tamin'ny herinandro lasa ny horonantsary iray avy amin'ny lahatsary tafaporitsaka momba ny fampakaram-badin'ny zanaka vavin'ny Jeneraly Than Shwe , mpitondra miaramila ao Myanmar (Birmania) . Tohina tamin'ny fampisehoana ny fandanian-karena mihoapapana ireo olona nahita ilay horonantsary .
Tafaverina An-Tserasera ao Iran Ankehitriny ny Tranonkalam-Pihainoana Hira Soundcloud sy Spotify
Efa azon'ny Iraniana idirana amin'izao fotoana izao ny Spotify sy ny Soundcloud.
Mpampianatra Ambony Tiorka Notazonin'i Malezia Fa “Nampianatra Fivavahana Tsy Naka Alalana”
Notazonin'ny Departemantan'ny Raharaha Islamika ao amin'ny Faritra Federaly ao Malezia nandritra ny 18 ora ilay mpanao gazety Tiorka sady mpampianatra ambony Mustafa Akyol, noho izy voalaza fa nampianatra fivavahana tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta.