Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2016
Fampiharana Vaovao Manampy Ireo Olom-pirenena Hamantatra Izay Fantatr'ireo Mpamatsy Aterineto Ao Hong Kong Momba Azy Ireo

Mamoaka taratasy iray ho an'ireo mpampiasa azy ho alefa amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy ireo orinasam-pifandraisana amin'ny finday ny Access My Info mba hangatahany angon-drakitra mikasika azy ireo ihany.
Hetsi-Panoherana Miboridana Nisarika Ny Saina Ho Any Amin'ny Kolontsaim-Panolanana Ao Amin'ny Onivesiten'i Rhodes Ao Afrika Atsimo
Maninona no manohina anao ny vehivavy manana finiavana hampiseho ny vatany, nefa ny herisetra nihatra taminy tsy mampaninona anao?
Mihamahazo Vahana ny Fihetsiketsehana ao Makedonia Rehefa Nambara Ny Hisian'ny Fifampiraharahana Ara-Politika Vaovao
An'aliny ireo Makedoniana nidina an-dalambe hatramin'ny nanambaran'ny filoha ny fanapahan-keviny hamindra fo amin'ireo manampahefanan'ny governemanta voampanga ho nanao kolikoly sy nanao fihoaram-pahefana, mba tsy ho tratran'ny fitsarana.
Abu Majid, Ilay Manana Vina Syriana

"Mazava sy voatondro tsara ny fangatahan'i Abu Majid. Ny vinany dia i Syria demokraty miantoka ny fahafahana ho an'ny mponina iray manontolo. Izay no niampangana azy. Izay ny helony.."
Tsy Mbola Vitan'ireo Afrikàna Shiliana Ny Tolony Hanana Solontena Amin'ny Fanisam-bahoaka Nasionaly Manaraka
Miaraka amin'ny tsy fanekena vaovao ataon'ny Ivontoerana Nasionaly amin'ny Antontanisa, manokatra andalany vaovao amin'ny tolona ataony ireo taranaka avy any Afrika any Shily mba hampidirana ny vondrom-piarahamoniny ho ao anatin'ny fanisambahoaka ny taona 2017.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Manome Vahaolana Azo Tsapain-tànana Ireo Fikambanana Manoloana Ny Herisetra Anaty Fitaovam-pitaterana
Misy ireo vahaolana manoloana ny herisetra ara-nofo.
Iraniana Fizisiana Nofonjaina Fa Tsy Nandà Tsy Hiasa Amin'ny Nukes, Maty Tany Am-ponja
Nandritry ny fotoana fohy, ny 21 Aprily, nikisaka ho any amin'ilay fizisiana nandany ny dimy taona farany tany am-ponja noho ny nandàvany tsy hiasa ho an'ny fandaharanasa Iraniàna momba ny nokleary, ny sain'izao tontolo izao
Fijery Tsy Fantatra Momba Ny Fiainan'ny Tsy Manan-kialofana (SDF): Tantaran'i Stéphane, Francis sy SDF75 Ao Amin'ny Bilaogin'izy Ireo
Fiainan'ny SDF, tantarain'izy ireo manokana ihany.
#TwitterisDead (Maty Ny Twitter): Izany No Ahian'ireo Mpanohitra Taorian'ny Nandraisan'ilay Orinasa Ny Manamboninahitra Fahiny Tao Amin'ny Tafika Shinoa Hiasa Ao

"Loza henjana mitatao amin'ireo Shinoa mitolona hisian'ny fahalalahana maneho hevitra io."