· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2018

Fanaovana Topimaso Blaogy: Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic

Na teo aza ny valisoa 5 tapitrisa dolara [teny anglisy] nokasain'i Etazonia homena ho an'izay manome vaovao marina hahafahana misambotra azy, ireo didy iraisam-pirenena fampisamborana nalefan'ny Interpol sy ny tetika nataon'ireo sampam-pitsikilovana miafina sasantsasany, vitan'i Karadžić hatrany ny niàla tamin'ireo fisamborana nandritra ny 13 taona. Namoaka betsaka, naneho hevitra ary nifanakalo vaovao mikasika ny antsipirihan'io tantara mampivanaka io, ireo blaogera ao Balkana.

30 Novambra 2018

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.

30 Novambra 2018

Na dia eo aza ny fandrahonana amin'ny fisamborana, dia lasa nalaza tao Thailandy ny hira rap mitsikera ny fitondrana miaramila

As a response to the 40-million-view music video, the Thai government launched its own rap song celebrating innovation and progress (it flopped). Ho setrin'ny lahatsarin-kira nahasarika mpijery miisa 40 tapitrisa dia namorona ny hirany rap manokana ny governemanta Thailandey  izay mankalaza ny fanavaozana sy ny fandrosoana (tsy nahomby).

28 Novambra 2018