Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2009

30 Marsa 2009

Irak : Enin-taona no lasa

Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy. Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro...

29 Marsa 2009

Serbie : Fahatsiarovana ny faha10 taona nandarohan'ny OTAN baomba

Ny 24 martsa 1999 no nanomboka nanafika an'i Serbie sy Montenegro ny OTAN. Naharitra 78 andro ny fandarohana baomba. An'arivony vitsivitsy ny olona maty tamin'izany, ary tranobe maro, tetezana, lalamby, lalana ary orinasa maro koa no potika. Ary fanampin'izany, olona maro no mbola miaina ny vokatra ara-pisainana sy ara-batana noho...

25 Marsa 2009

Maldives : Tandindonin-doza ny fahafahana maneho hevitra

Male, the capital of Maldives. Image by Flickr user mode (http://www.flickr.com/photos/mashafeeg/397839215/) Ny fiandohan'ny volana marsta dia nifankahita tamin'i Frank La Rue mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fahafahana maneho hevitra sy miteny ny filoha vaovaon'i Maldives, Mohammed Nasheed. Nandritra ny fihaonana dia nilaza i Nasheed fa manaiky tsara ny...

12 Marsa 2009

Ejipta : mandrisika an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy i Dalia Ziada

Amin'izao andro fahatsiarovana ny andro nahaterahan'ny Mpaminany Mohamed izao dia manentana ny olona rehetra i Dalia Ziada hanery an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy Silamo manerana ny tany! Nanomboka tamin'ny firesahana ity andro fankalazana ity tany Ejipta i Dalia: Androany, Ejipta-ary Ejipta irery- no nankalaza ny andro...

11 Marsa 2009

Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel

Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.

09 Marsa 2009

Bahrain: Napetrak'ilay mpisolovava ho toy ny “revy tsy manimba” ny fanolanana

Nanintona ny sain’ireo mpitoraka bolongana sasany ao Bahrain ny raharaha fitsarana mahakasika fanesorana tsy nahitana porofo sy ny fanolanana vehivavy iray, satria nofohanan’ny mpisolovava vehivavy ho toy ny “ny ditra tsy mampaninona” ny asa ratsy natao.

05 Marsa 2009

Armenia: Herintaona taty aorian’ny ady noho ny fifidianana

Anarivony ireo olona tonga teny andalamben’I Yerevana tamin’ny Alahady mba hitondra fahatsiarovana ny disadisa tao aorian’ny fifidianana tamin’ny herintaona lasa teo tao Armenia izay nahafaty olom-pirenena valo sy polisy anankiroa. Satria mbola ao ambadiky ny lalana ireo mpihetsiketsika manohitra, dia noampangaina marindrano ny governemanta tamin’ny andraikitra kely dia kely noraisiny...