Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2009

25 Jona 2009

Però: Ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana nandritra ny ady tao Amazonia

Niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tany Pérou ilay zava-nitranga nampihorin-koditra niseho tany Bagua ao anaty alan'i Amazonie any amin'ity firenena ity. Tsikerain'ny mpitoraka bilaogy maro ny filoha Alan Garcia sy ny governemantany satria tsy nanaja ireo fifanarahana sy fifanekena milaza fa alohan'ny hanaovana zavatra ao amin'ny tanin'ireto tompon-tany ireto...

19 Jona 2009

Pero: Fanohintohinana ny zon'olombelona sy ny fahalalàhana miteny

GV Mpisolovava

Nanomboka tamin’ny nandravàn’ny mpitandro filaminana ny barazy natsangan’ireo zanatany [indizena] mba hanoherana lalàna iray (DL 1090) izay eritreretin’izy ireo ho mandika ny zony amin’ny tany navelan'ny razany ny fandatsahan-drà tany amin’ny tanàna Perovianan’i Bagua . Tsy fahafatesana sivily tsy fantatra isa mazava ( 10 no isa ofisialy, nefa araka ny...

09 Jona 2009

Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina...

08 Jona 2009

USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra

Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity.  Vehivavy roa,  Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena  Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona...

07 Jona 2009

Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika

47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona...

05 Jona 2009

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny...

04 Jona 2009

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny fijery...

Ejipta: Tsy ‘tongasoa’ ve i Obama?

Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity...