Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2011
Iran: Fanentanana ho Fanafahana Ireo Amerikana Mpihanika An-Tongotra Sisa Voatàna Am-ponja
Sarah Shourd dia nandany 410 andro natoka-monina tany Tehran, Iran, talohan'ny nanomezana alàlana azy ho afaka miverina any Etazonia tamin'ny Septambra 2010. Miantso izao tontolo izao izy mba hiresaka mikasika ireo namany roa, Shane Bauer sy Josh Fattal, izay mbola any am-ponja ao Iran noho ny fiampangana ho nanao "asam-pitsikilovana" hatramin'ny fotoana nahasamborana azy telo niaraka fony nihanika an-tongotra ny tendrombohitra nanakaiky ny sisintanin'i Iran tamin'ny Jolay 2009.
Arzantina: 17 Taona Aty Aorian'ilay Fanafihana Ny AMIA, Mbola Tsy Hita Hatramin'izao Izay Marina
18 Jolay 2011, fahatsiarovana indray ny fanafihana ny Fikambanana Iombonana Ifanampian'ireo Israelita ao Arzentina (AMIA) tamin'ny 1994. Nisokatra indray ny raharaha noho ny tsy fisian'ny fanazavana marina, ireo fianakavian'ny niharam-boina sy ny fiarahamonina ao Arzantina dia mbola mitaky ny rariny ho an'ireo olona namoy ny ainy.
Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl
Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.
Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i Belarosia?"
Syria: Fanontaniana Momba Ny Tena Izy Amin'Ilay Bilaogera Hoe Voasambotra
Hatramin'ny nisian'ny tatitra fa hoe nisy vehivavy Siriana antsoina hoe Amina Arraf, noheverina ho i "Gay Girl in Damascus" - na "ilay vehivavy manambady vehivavy ao Damaskaosy" nosamborin'ny manampahefana tamin'ny Alatsinainy 6 Jona 2011, be ny ahiahy lalina nipongatra fa hoe mety tsy ho araka izay iheverana azy io vehivavy bilaogera io.
Kiobà: Ho Fiarovana ny “Las Damas”
Manohy hatrany manavao ny lahatsorany ireo Kiobana mpitoraka bialogy mikasika ny fanafihana farany tao Las Damas de Blanco (The Ladies in White Ireo Vehivavy Mitafy Fotsy), ka nisy tamin'ireo mpikambana no voalaza fa nizaka "fanafihana ary daroka an-kerisetra nataon'ny olona mpikambana ao amin'ny Mpitandro Filaminam-Panjakan'i Castro, ka taitra hatramin'ny fiangonana
Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro
Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.
Pakistana: Mangataka Hitsaràna Ny Raharaha Saleem Shahzad
Maro ireo niahiahy ny sampam-pitsikilovana eto amin'ny firenena ho ao ambadik'io fakàna an-keriny sy famonoana an'i Shahzad tamin'ny May 2011, tompon'andraikitry ny biraon'ny Asia Online na Azia anaty aterineto. Ny vaomieram-pitsarana napetraka hanadihady momba ilay vono olona dia nitaraina noho ny tsy fahampian'ny fanampiana tonga, ary betsaka ireo matahotra ny hanoheran'ny olona ny valim-pitsarana.
Korea Atsimo: Misedra Fanakianana Mahery Vaika ny Fiara Natokana Ho An'ny Vehivavy Any Anaty Metro
Satria mitombo be ny herisetra ara-nofo any anaty metro, indrindra mandritra ny ora maha betsaka ny mpandeha sy rehefa alim-be, nanapa-kevira ny governemanta ao Seoul hametraka fiaran-dalamby natokana fotsiny ho an'ny andriambavilanitra mba hampiatoana ny fiakaran'io taha io. Na izany aza, niteraka fanehoan-kevitra nafampàna tokoa teo anivon'ny Koreana Tatsimo mpampiasa aterineto ilay fihetsika.
Iran: Fahavaratra Mafana Mitarika Amin'ny Famaizana Fitafy “Tsy Mendrika”
Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny: famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”. Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny...