Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto
Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?
Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.
Egypta: Voasivana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka
Nitroatra ireo mpikatroka Egyptiana taorian'ny "nanivanan'ny" Flickr ny kaonty fizaran-dry zareo sary.
Mitombo Ny Sivana Amin'ny Haino Aman-Jery Any Pakistàna Fa Manakaiky Ny Fifidianana Solombavambahoaka
Noraràna ny lahateny fanao amin'ny fifidianana mba hisorohana ny fandefasan'ireo haino aman-jery votoaty "manafintohina" sy "manala baraka".
Malezia : Tetikasa famoronana rejisitram-panjakana ahitàna an'ireo blaogera.
Namolavola lalàna izay manery ireo blaogera mampiantrano ny blaogy eo an-toerana ny fanjakana maleziana. Very noho izany ny roa ampahatelony tamin'ny isa mahazatra azy tamin'ny fifidianana farany teo.
Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka
Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.
Shina: Ho an'ny fitsingerenan'ny taona nitrangan'ny raharaha Tiananmen, ambany fanarahamaso hentitra ny Aterineto
Maro ireo tranonkala sy karajia firesahana an-tambajotra no nakatona noho ny vanim-potoana somary saropady ao amin'ny firenena.
Etazonia, Singaporo: Vady amidy amin'ny imailaka, azo vidiana amin'ny karatra fandoavam-bola Diners Club
Vidiana amin'ny imailaka sy ny karatra fandoavam-bola toy ny entana rehetra ny vady ao Singapaoro. Nandefa fanangonantsonia izay nahita fahombiazana tamn'izany i Amanda Kloer.
Zimbaboe: Andiana fakana an-keriny politika
Mpikambana maro tao amin'ny MDC sy ny ZPP no nalaina an-keriny tao Zimbaboe, anisan'izany ny filohan'ny Zimbabwe Peace Project, i Jestina Mukoko.
Angolà: Ankizy maro ampangaina ho manao famosaviana
Efa hatramin'ny faran'ny taona 90, iharan'ny fampijaliana sy famonoana ny ankizy maro ao Angolà izay ampangain'ny fianakaviany ho mpamosavy. Efa miezaka ny hamaha ny olana ny fanjakana ankehitriny.