Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2015
Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena
Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.
Mpanakanto Okrainiana Manao Sariitatra Ny Fanagadrana Azy Tao Donetsk
Manatontosa boky tantara an-tsary mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo gadra ao atsinanan'i Okraina voabodo ilay mpanakanto Okrainiana, izay nahatonga ireo milisy mpanohana ny Rosiana haka azy an-keriny sy hampijaly azy ny kantony an-dalambe.
Am-polo Taonany ny Demaokrasian'i Arzantina, Nahoana No Mbola Mitohy Ny Fanjavonan'Olona?
Na dia teo aza ny 32 taonan'ny demaokrasia, mbola an'arivony ireo olona, indrindra ny vehivavy sy ny tovovavy no mbola tsy hita popoka ao Arzantina. Ary mbola maro ireo nanjavona.
Heverin'ny Malezia Ny Hanerena ireo Vohikalam-baovao Hisoratra Amin'ny Governemanta, Satria Mitatra Ny Tantara Ratsy Ara-politika
"Tsy azo inoana mihitsy hoe tsy natao ho amin'ny zavatra hafa ankoatry ny fandraràna ny tsikera io fanovàna io."
Miray Hina Isan'Andro Ny Olona Mba Hanampy Ireo Mpitsoa-ponenana Ao Gresy
"Tsy fiantrana izany fa firaisankina avy amin'ny tsirairay hoan'ny rehetra...Fitiavana avy amin'ny olombelona ho an'ny olombelona ihany koa izany tsy hijerena volon-koditra, foko na finoana."
LAHATSARY: Herisetran'ny Polisy Libaney Tamin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo (You Stink)”
Niely manerana ny media sosialy ireo lahatsary mampiseho ny herisetran'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Libanona. Tokony hahazo daroka sy baomba mandatsa-dranomaso ve ny fihetsiketsehana manohitra ny fivangonan'ny fako sy ny kolikolin'ny governemanta?
Azo Heverina Ve Izany Hoe Bangladesh Sakaizan'ny Ankizy Kokoa?
Tetibola manokana hoan'ny ankizy ao anatin'ny tetibola 2015-16 mba hiarovana tsara kokoa ny zon'ny ankizy sy ny mahasoa azy ireo ao Bangladesh
Mampiseho Ny Ratra Tsy Sitran'i Chili Ny Fahafatesan'ilay Lehiben'ny Polisy Miafin'i Pinochet
Mampiseho firenena mbola sahirana ny hihàvana amin'ny lasany ireo fihetsika taorian'ny nahafatesan'ny lehilahy faharoa nikoizana tamin'ny fitondrana jadon'i Augusto Pinochet tao Chili.
Any Malezia, Mandeha An-Tsekoly Ao Anatin'ny Tahotra Ireo Ankizy Mpitsoa-ponenana Myanmar
Mampiseho ny zavatra atrehan'ny vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana Myanmar any Malezia, ilay tetikasa lahatsary fanadihadiana.
Manosika ho amin'ny fandrarana ny fivarotan-toaka ao atsimon'i India ny fihetsiketsehan'ny mpianatra an-dalambe
"Hetsika goavana ny fanoherana ny fandrarana ny zava-pisotro misy alikaola. Raha mandrara ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ny governemanta Tamil Nadu, dia tian'ny olona amin'ny ankapobeny kosa izany."