Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2023
Resadresaka nifanaovana tamin'i Aïssatou Fofana, mpanao gazety mpanadihady ara-tontolo iainana ao Côte d'Ivoire
Aïssatou Fofana, ivoariàna mpanao gazety mpanadihady mahay manokana ny tontolo iainana, mizara amin'ny Global Voices ny fahalinany sy ny fanamby atrehany amin'ny asany. Resahany ihany koa ny momba ny sehatra noforoniny
Ahiana amin'ny fanafihana tamin'ny entona nanjo ireo tovovavy mpianatra ao Iràna ny Fanjakana
Fandrihan'ny fanoheran'ireo vehivavy sy tovovavy ao anatina toe-draharaha 22 tsy misy vahaolana ny fitondrana ; Tsy afaka mandefitra amin'ny fanavakavahana ara-pananahana izy ireo no sady hiatrika ireo fitakiana maharitra ho an'ny zon'ny vehivavy.
Mialoha ny fifidianana, manolo-tena hiaro ny zo nomerika ireo antoko politika ao Tailandy
"Mialohan'ny fifidianana ho avy ao Tailandy, nanolo-tena hankato sy hampiditra ny fiarovana ny zo nomerika ao anatin'ny diarin-dry zareo ireo antoko politika".
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Mbola mitohy ny famoretan'ny fitondrana Belarosiana ny fiarahamonim-pirenena
Mihamiakatra ny isan'ny gadra politika ao Belarosia; araka ny filazan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Viasna, tamin'ny faran'ny volana Jona teo dia 1.496 no nidoboka am-ponja noho ny fiampangana ara-politika.
Hita taratra ao amin'ny Oniversite foromporonina an'eritreritra Shanhe ny hetahetan'ny mpianatra Shinoa ho an'ny fitoviana
Naneho ny zava-misy manjavozavo amin'ny rafi-pampianarana Shinoa tsy ara-drariny izay manavakavaka ireo mpianatra avy amin'ny faritany mahantra ny Anjerimanontolo nofinofy Shanhe .
Mitohy ny fanoherana ao Iran, mamaly bontana ny fitondrana
Raha nivoatra ny fifandraisana tamin'ny Tandrefana, nivoaka hidarodaroka ireo mpikatroka sy mpisintaka, na ao an-toerana na iraisampirenena tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay ny fitondrana Iraniana.
#FeomPanovana: Miray hina ny mponina hanoherana ny tambajotran-jiolahy ao Guerrero, Meksika
Ny herisetra ataon'ny tambajotran-jiolahy sy ny firaisan'ny manampahefana tsikombakomba amin'ireo no mahatonga ity vondrona ity hisolovava ao amin'ny media sosialy.
Aiza i Wanchelearm Satsakit? Ny fikarohana ilay thailandey mpikatroka nalaina an-keriny tao Kambodza nanaovany sesitany
Mifandraika amin'ny fanjavonan'ireo mpikatroka valo hafa nialokaloka nanjavona ny raharaha Wanchalearm, efa hita y vatana mangatsiaka an'ireo telo
Manodidina ny 47.000 ireo miaramila Rosiàna maty nandritra ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina
Tao anatin'ny 15 volana monja nisian'ny ady tao Okraina, avo telo heny ireo miaramila rosiàna maty raha miohatra amin'ny an'ireo andian-tafika sôvietika nandritra ny 10 taona tao Afghanistàna