Pakistan: Mpianatra Baloch Mitokona Tsy Mihinan-kanina Nandritra Ny 45 Andro

Members of civil society visits the hunger strike camp of Lateef Johar protesting for the missing student leader Zahid Baluch from Quetta. Image by Ayub Mohammad. Copyright Demotix (31/5/2014)

Mpikambana ao amin'ny firaisamonim-pirenena nitsidika ny toby misy an'i Lateef Johar izay mitokona tsy mihinan-kanina (voalohany avy aty ankavia) ary mitaky ny famotsorana ny namany sy lehiben'ny mpianatra nanjavona Zahid Baloch. Sary avy amin'i Ayub Mohammad. Copyright Demotix (31/5/2014)

Nitokona tsy hihinan-kanina nandritra ny 45 andro maninjitra i Lateef Johar, mpianatra mpikatroka sady mpanoratra avy ao amin'ny faritra atsimo-andrefan'i Pakistan, Balochistan. Tapa-kevitra ny hitana ny teniny izy, “fitokonana mandramaty”, raha tsy havotsotra ny namany sy mpanoro hevitra azy antsoina hoe Zahid Baloch, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra lehibe indrindra avy amin'ny foko Baloch Fikambanan'ny Mpianatra Baloch – Azad (BSO-Azad).

Nilaza ireo mpiara-mianatra amin'i Zahid ao amin'ny BSO-Azad fa nalaina an-keriny tamin'ny 18 Marsa 2014 tao Quetta, renivohitr'i Balochistan izy. Nilaza izy ireo fa nambanan'ireo miaramila basy avy ao amin'ny milisin'i Pakistan, dia ny Polisin'ny Sisitany (FC), izy tamin'ny voalohany, ary avy eo notapenana ny masony ary natosika ho ao anaty fiara. Tamin'ny antsafa nataon'ny BBC azy enimbolana talohan'ny nakàna azy an-keriny, nilaza i Zahid fa ny BSO-Azad irery no miditra amin'ny tolona tsy misy herisetra ho amin'ny fizakantenan'i Balochistan. Nilaza ihany koa izy fa natahotra ny amin'ny ainy noho ny fikatrohana ataony.

Manasongadina ny raharaha Zahid sy ny manjò ny faritra Bolochistan, faritra midadasika sy mahantra indrindra ao Pakistan ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'i Lateef Johar. Nanomboka tamin'ny taona 2006, nisy indray ny adim-pahaleovantena nitranga tao,nifanandritran'ny separatista Baloch sy ny governemantan'i Pakistana. Tao anatin'izany ady sarotra sy maharikoriko izany, efa mateti-pitranga ny fanjavonana tahaka ny nahazo an'i Zahid, ary matetika miafara amin'ny tranga mampalahelo.

Nambaran'ny Vaomieran'ny zon'olombelona ao Pakistan (HRCP) fa hatramin'ny 2010 dia nahitana dianà fampijaliana ny vatan'ireo “olona nanjavona” an-jatony tao Balochistan. Tamin'ny 2013 fotsiny ohatra, vatana mangatsiaka 116 no hita manerana ny faritany, 87 hitan'ireo fianakaviana izay niampanga ny sampam-piarovana Pakistana ho naka an-keriny ny havan'izy ireo. Nilaza ny vondrona mpandala ny zon'olombelona, Feo Hoan'ireo Olona Baloch Nanjavona (VbPC) fa vatana mangatsiaka tsy latsaky ny 373 no hita nanomboka tamin'ny taon-dasa.

Protesters at hunger strike camp demanding release of Zahid Baluch Chairman of Baluch Students Organization, Quetta, Pakistan. Image by Ayub Mohammad. Copyright Demotix (31/5/2014)

Mitaky ny famotsorana an'i Zahid Baluch ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Ayub Mohammad. Copyright Demotix (31/5/2014)

 Fihetsiketseha-panoheran'i Lateef Johar.

Na dia vonona hanohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina aza i Johar, miha-ratsy ny toe-pahasalamany. Nampitandrina ireo dokotera fa raha manohy ny fitokonany izy dia ho faty tsy ho ela. Zara raha nivoaka tamin'ny fitantarana amin'ny fampahalalam-baovao ny fihetsiketseha-panoherana nataony, hatramin'ny herinandro lasa raha tonga nitsidika azy ny lehiben'ny Minisitr'i Balochistan, Dr.Abdul Malik Baloch. Nandà ny fangatahan'ny Minisitra hampitsahatra ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Johar, ny famotsorana an'i Zahid no voalohany, hoy izy.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'i Bolan Voice, bilaogy mitatitra momba ny raharaha Baloch, nanome fomba fijery mazava mikasika ny toe-draharaha any Balochistan i Johar. Nanao antso tamin'izao tontolo izao izy:

We strongly appeal to the world that ours is a peaceful struggle and ours is a peaceful student’s organization and they must know deeply with the regards to the problems of Baloch nation, any problem related should be figured out and then resolved whether it comes to the Baloch geography or their educational or social and national problems.

Manao antso mafy amin'izao tontolo izao izahay fa ny anay dia tolona milamina ary ny anay dia fikambanan'ny mpianatra milamina ary tokony ho fantatr'izy ireo tsara ny mikasika ny olan'ny firenena Baloch, tokony fantarina ary vahana ny olana rehetra mikasika azy na izany mikasika ny jeografia Baloch na ny olan'ny fampianarana, ny sosialy ary ny olana nasionaly

Fatimah Insan nanoratra taratsy misokatra hoan'i Johar tao amin'ny bilaoginy:

If you die, they will be happy. Please do not make them happy.

Raha maty ianao, ho faly izy ireo. Azafady, aza manao izay hahafaly azy ireo

Hoy kosa ny siokan'i Voices of Balochistan:

Nikarakara Filaharam-be niainga avy amin'ny Vaomieran'ny Zava-kanto ka hatrany amin'ny Fikambanan'ny mpanoratra gazety ao Karachi ho fanoherana ny fahanginan'ny ONU, Zon'Ombelona manerantany ny BSO-AZAD

Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina tao Seattle, Etazonia sy Vancouver, Canada, ary tao Berlin ao Alemaina ho firaisankina amin'i Lateef Johar sy Zahid Baloch.

Tsy dia olana tamin'ireo mpikatroka nitarika ny fanentanana tamin'ny alalan'ny diezy #SaveBSOAzadLeader (Vonjeo ny Lehiben'ny BSOAzad) sy #StrikeTillDeath (Fitokonana mandramaty) ny tsy fisian'ny fitantarana tamin'ny fampahalalam-baovao. Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia antserasera tao amin'ny Change.org izay ho alefa any amin'ny Firenena Mikambana (ONU) ho fitakiana ny famotsorana ny filohan'ny BSO-Azad.

Fa efa misy ihany ny fanehoan-kevitra tsy mankasitraka. Niampanga azy ireo ho mampiely haisoratra manohitra an'i Pakistana eny amin'ny kolejy sy ny Oniversite ireo manampahefana Pakistaney. Nilaza tamin'ny BBC ny minisitry ny atitany Balochistan, Sarfaraz Bugti fa mody “mampanjavona ny tenany” ireo olona nanjavona ho fanazavana izay zava-mitranga ao amin'ny faritra. Nilaza izy: «Indraindray “mody manjavona” ireo mpikatroka ireo. Mandeha any amin'ny toby fanazara-tenan'ny mpikatroka ao Afghanistan sy India izy ireo, raha toa kosa ka mikarakara fanentanana hanendrikendrehana ireo mpitandro ny filaminana Pakistaney ho manao fakàna an-keriny ny vondron'izy ireo.

Toa hita fa niombo-kevitra tamin'ny fijerin'ny fanjakana ao amin'ny bilaogy Pak Tea House i Ain Haider Zaider:

You know most of them are involved in anti-state activities, and what is happening with them is what they deserve. Our agencies know better about the issue and we should not create any hurdle in their work due to our own naivety.

Fantatrao fa tafiditra amin'ny fanaovan-javatra mamely fanjakana ny ankamaroan'izy ireo, ka mendrika ho azy ireo izay zava-mihatra amin'izy ireo. Fantatr'ireo sampan-draharahantsika tsara ny momba ity raharaha ity ka tsy tokony hanelingelina ny asan'izy ireo isika noho ny fahatsorantsika.

Na dia izany aza, misy ihany ny fanantenana ny amin'ny ampitso tsaratsara kokoa. Nanoratra momba ny raharaha mikasika an'i Johar ilay bilaogera Sayalif:

His noble cause is to draw attention of Human right organization to stop Pakistan from committing serious human right violations in Balochistan. He deserves to live so are other Baloch who are in the illegal custody of law enforcement agencies.

Ny foto-kevitra mendri-piderana ananany dia ny hisarihana ny sain'ireo fikambanana mpandala ny zon'Olombelona hanakana an'i Pakistan tsy hanitsakitsaka ny zon'Olombelona ao Balochistan. Mendrika hiaina tahaka ireo Baloch hafa izay gadrain'ny sampan-draharahan'ny mpampihatra ny lalàna tamin'ny fomba tsy ara-dalàna izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.