· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2010

Torkia: Taona fahatelo namonoana an'i Hrant Dink

  22 Janoary 2010

Telo taona androany, dia nisy nitifitra tamin'ny basy teo ivelan'ny birao fanaovan-gazety fiasany tany Istanbul, Torkia, ilay mpanao gazety Tiorka-Armeniana Hrant Dink . Tsy noraharahiana izy, nankahalain'ny Tiorka sy ny Armeniana noho ireo hafatra feno fandeferana sy fampihavanana nataony ho an'ny roa tonta fony fahavelony, Dink dia feon'ny mpampihavana ary olon'ny fohavanana ka izay...

Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009

  16 Janoary 2010

Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika.  Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian York azy hoe, “Mampiely tantara isika. Mampiely teny.”  Miezaka ny ho amin'izany tokoa izahay noho ireo olona marobe miketrika amin'ny...

Iran: tolona iraniana tohanan'ny mpiserasera shinoa

  11 Janoary 2010

Hatramin'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fitondrana islamika tany Iran nandritra ny fankalazana ny Ashura, dia mpiserasera Shinoa ampolony ny niditra tao amin'ny valam-piaraha-monina Twitter #iranelection. Ary dia nampiany hashtag vaovao, #CN4Iran, izany sy vohikala vaovao hanohanana ny tolon'ny vahoaka Iraniana, mitondra ny anarana hoe CN4Iran.org. Niresaka tamin'ny iray amin'ireo mpiserasera nanangana izao...

Ejipta: Fanentanana “Mitenena”

  07 Janoary 2010

Raha miomana fatratra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin'ny taona 2011 i Ejipta dia misy andian'olona ao amin'ny tontolon'ny bilaogy manao fanentanana mampirisika ny olona hino fa afaka manova izy ireo ary afaka miteny amin'ny alalan'ny latsa-bato hataony. Izay no antony nahatonga ny fanentanana “Mitenena”, nanomboka azy i  Ghada Abdel...

Tamberina 2009 Azia Atsimo

  01 Janoary 2010

Nivalona hatreo ny taona 2009 ary izao no fotoana hitodihana izay nitranga tany Azia atsimo. Ao anatin'ny tamberina misy fizarana roa no ijerentsika ireo fotoan-dehibe nanamarika io taona io ho an'ny firenena atsimon'i Azia amin'ny alalan'ny mason'olo-tsotra tia mampita vaovao. Isaorana manokana ireo mpanoratry ny Global Voices ho an'i Azia...