Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2020

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2020

Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo

Nanakona ny mason'ireo olompirenena silamo tsotra ny fankahalàna ireo tandrefana eny anivon'ireo vahoaka silamo, ka tonga hatramin'izao fandàvana ny hino izay rehetra vaovao avy amin'ny media tandrefana izao, na ohatra aza ka ireo toby fanibohana miozolmàna no resahana

Miventy ny hiran'i Katie Melua ny Sloveniana mpanao fihetsiketsehana hanazavana ny hetsika mpitondra bisiliketa miady amin'ny kolikoly

"Misy bisikileta 10.000 ao Ljubljana. Zavamisy izany. Izany ny fahadalàn'ny olona."

Venezoeliàna miisa 34.000 atosiky ny valanaretina hifindra monina ao amin'ny taniny ihany

500 isanandro ireo mpifindra monina tonga ao Cúcuta , tanàna iray an-tsisintany, mihevitra ny hody any Venezoelà. Tamin'ny 15 Aprily, 34.000 no fitambaran'ireo olona nandingana ny sisintany nandalo tao amin'ilay tanàna.

Noho ny ady ataon'i Tonizia amin'ny Covid19, voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra

Roa ireo bilaogera nosamborina satria niampanga ireo manampahefana any an-toerana ho nanao kolikoly mifandraika amin'ny fitsinjaràna ireo fanampiana, raha iray kosa mpanao gazety miatrika ompa sy fanivaivàna ety anaty tambajotra satria nanakiana ny minisitry ny fahasalamàna.

Afghanistana, tsy afa-bela amin'ny ady na dia ny zaza vao teraka any amin'ny hôpitaly aza

Tao Afghanistàna, maty novonoin'ireo mpanao aza fampihorohoroana ireo zaza menavava sy ny reniny, tao amin'ny toerana iray fampiterahana ao Kaboul. Ny vondrompiarahamonina shiita Hazara manokana no tena nokendren'ireo fanafihana ireo.

Taorian'ny fisintonana amin'ny ampahany tamin'ny sata afrikàna momba ny zon'olombelona, nihemotra ny demaokrasia ao Benin

Benin, nizaka ny fitsingidinana henjana indrindra - very toerana 17 tao anatin'ny Fandaharana erantany momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety taorian'ny nisintahany tsy ho ao anatin'ilay antontan-taratasy fanalahidin'ny Sata Afrikàna momba ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka,

Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan

Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.

Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy

Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina hatramin'ny nanombohan'ny tsy maintsy hihobohana tamin'ny 20 Martsa.