· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2019

Torolàlana Hiantohana ny Fiarovana / Fahatoniana Niomerika ho an'ireo Afrikàna Mpiaro Tontolo Iainana

GV Mpisolovava

Ho an'ny tolona ataon-dry zareo, efa miha-miditra amin'ny fampiasàna fitaovam-pifandraisana niomerika ireo mpiaro tontolo iainana ao Afrika. Saingy vao mainka izy ireo lasa lasibatry ny fanafihana an-tserasera sy ny faneriterena ara-bàtana. Inty ny taridàlana iray ho fampianarana azy ireo hiaro ny fiainany an-tserasera sy eny anivon'ny fiarahamonina.

29 Janoary 2019

2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra

Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.

25 Janoary 2019

Mpisolovava Miantso ny Kaomisiôna Afrikàna, ny Manampahaizana avy Amin'ny Firenena Mikambana Mba Hirotsaka an-tSehatra Amin'ny Raharahan'ireo Bilaogeran'ny Zone 9

GV Mpisolovava

Nanatevina laharana an'ilay antso maika nalefa ho an'ireo mpampakatenin'ny Firaisambe Afrikàna sy ny Firenena Mikambana ny Global Voices mba hahazoana fanafahana tsy misy hatak'andro an'ireo bilaogeran'ny Zone9, ary hanambaràna ny fisamborana sy fitazonana azy ireo ho fanitsakitsahana mibaribary ny zo maha-olombelona azy ireo.

24 Janoary 2019