Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2022
Mipongatra ao Serbia ny kabarim-pankahalàna mialoha ny EuroPride 2022 ao Belgrady
Somary nitombo kely ny fandisoana vaovao sy kabarim-pankahalana atao amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ sy mpiaro zon'olombelona, raha eo am-piomanana handray ny EuroPride 2022 ny renivohitra Serba, Belgrady
Fihetsiketsehana mankalaza ny faha-50 taonan'ny fanambaràna ny Lalàna miaramila ao Filipina
"Izahay no porofo velona tamin'ny habibiana nataon'ny Marcoses sy ny namany mpanankarena tamin'ny vahoaka Filipiana."
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Peroviana mpikatroka malaza niova fananahana sady mpianatra nahazo diplaoma tao Harvard no maty raha mbola notanana tany amin'ny tobin'ny polisy Indoneziana
“Tiako ny mampahatsiahy anareo fa tsy midika ny fandikana ny lalàna fa mendrika ny ho faty an-tranomaizina io olona io: notakiana vola, natoka-monina tsy ahita ny havan-tiany, nampijaliana satria pelaka..."
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
Misy ny fitsipika iray manery ny orinasam-pifandraisana (telcos) hanakana sy hanivana ny lisitry ny URL, ary "manara-maso isan'andro" ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa nohavaozina izany.
Toy ny làlana fianarana ho an'i Sri Lanka no fahitàny ireo fihetsiketsehana tao GotaGoGama
Volana iray taorian'ny nikatonan'ny GotaGoGama, manontany tena ny olona ny amin'ny fomba nampiorim-paka ny hevitra nentiny ho ao an-tsain'ireo an'arivony marobe nirotsaka an-tsehatra ho ao anatin'io habaka fianarana io.
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety
MIVANTANA amin'ny 22 Septambra: Jadona ara-teknolojika ao India
Narahin'ny fomba fanao isan-karazany izay manakana ny fahalalahan'ny olom-pirenena ny fanitsiana nomerika haingana ao India. Miaraha aminay amin'ny 22 septambra ho amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanosehana ny olom-pirenena.
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Natao diabe tao afovoan-tanàndehiben'i Bangkok ny sarin'ireo mpikatroka nanjavona
"Tsy misy olona tokony hanjavona noho ny fananana hevitra hafa."