· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2018

Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra

Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany (Benoà 16) tany Etazonia - voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C.

28 Mey 2018

Shina: Mandroaka ireo tsy an'asa ao Shenzhen

Manadio ny tanànan'ireo tsy an'asa mandritra ny telo volana mahery - izany no nolazain'ny ben'ny tanàna lefitr'i Shenzhen sady lehiben'ny polisy tamin'ny 29 aprily ho setrin'ny olana ara-pandriampahalemana ao amin'io faritra manokana ara-toekarena any atsimon'i Shina io. Niteraka valinteny mahery vaika tamin'ny aterineto izany sosokevitra izany..

25 Mey 2018

Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany

Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra

24 Mey 2018