Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2018
Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro
Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana.
Bolgaria: Miaro ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra sy ny fiarovana ny tontolo iainana (ampahany voalohany)
Niteraka fanehoan-kevitra mavitrika teo amin'ny tontolon'ny blaogy bolgara ary koa hetsika tena mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainan'ny firenena ny fanapaha-kevitry ny fitsarana raharaham-pitantanana ao Borlgaria (VAS) tamin'ny 29 jona 2007 ny hanala ny sokajy maha faritra voaaro ny valan-javaboahary nasionaly Strandzha.
Tajikistana : Fitantanana am-patrany ny herinaratra (delestazy)
Mbola tsy ela akory, faritra maro tao Tajikistana no tsy nanana afa-tsy herinaratra kely dia kely : ora enina isanandro ihany. Ankehitriny, ratsy noho izany ny toe-javatra misy.
Taiwan : Ireo Mpamboly Ara-biolojika Ao Taiwan
Ao Taiwan, marobe ireo tantsaha no mandeha amina fambolena ara-biolojika, na mamboly vary izy ireo na legioma, voankazo na raozy, ny dité na ny kafé. Mampiasa blaogy ireo tantsaha ireo mba hifanampiany na hivarotany ny vokatr'izy ireo.
Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika
Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"
Mety hanavotra ny tokatandroka tavaratra fotsy ve ny fanomezan-taranaka in-vitro?
Noho ny fahafatesan'i Sudan, roa monja sisa no rhino fotsy tavaratra sisa tavela eto amin'izao tontolo izao - izay samy vavy ary ampahany amin'ny ràn'i Sudan - zanany vavy Najin sy zafikeliny Fatu. Manantena ny fitohizan-taranak'ireo biby ireo ny mpahay siansa ankehitriny amin'ny alalan'ny dingana fanomezan-taranaka in-vitro izay mampiadihevitra be.
Rosia: Fanadihadiana momba ny fialan-tsasatra
Ny fikambanan'ny LJ amin'ny teny Rosiana eco_altai dia toerana hihaonana sy hizarana ireo fahatsapana sy sary mahafinaritra eo amin'ireo mpankafy ny tontolo iainana ao amin'ny Repoblika Altai any Rosia .
Ghana: Harmattan indray, Fanjakazakan'ny Vola Ghaneana, Nahoana no te-hiala ireo mpiasa Ghaneana, ary dingana 82 hanavaozana visa
Miaina harmattan i Ghana amin'izao fotoana izao, ary nahatonga ny fanehoan-kevitr'i Leanne, ao amin'ny An American in Africa, izay manazava ny momba ny harmattan izy.