Tantara mikasika ny Bolgaria
Manakaiky ireo mpitondra mpanao jadona ny filoha Aliyev
Tao anatin'ireo tranga rehetra ireo, vitan'ny governemanta Azerbaijani sy ny lehibeny ny nanatanteraka fifandraharahàna ara-bola mampiahiahy sy nametraka fifamatorana vaovao no sady namoritra ny fahalalahana
Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia
Nampiasaina ho toy ny fitaomam-panahy ho amin'ny vaovao diso ao Balkàna ny vaovao mikasika ny fandraràna ilay sarimihetsika Barbie ao Vietnam, miaraka amin'ny filazana diso mikasika ny sivana ao Serbia.
Hainahandro nentindrazana Bolgara, fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina: ireo ahitra dia
Ramatoa telo avy amin'ny lafivalon'i Bolgaria fa manana zavatra iraisany: mino ny antso azony izy ireo, dia ny hitahiry ny lovan'ny hainahandro ao an-toerana ho toy ny ampahany amin'ny maripamantarana iraisan'ny rehetra
Ireo fombandrazana ara-tsakafon'i Boligara ho fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina : ireo hainahandron'i Nenibe adino tao an-tanàn'i Antimovo
Ny hainahandro eo an-toerana ao amin'ny vohitra Bolgara iray akaikin'i Danube dia mampifangaro ny fomban-drazana Vlahian sy Bolgara, manome toerana ny fisarihana ireo mpizahatany nasionaly ary koa ireo avy any Romania sy Serbia mpifanila vodirindrina.
Nahandro nentim-paharazana Bolgara: fomba iray hamerenana ny fahatsiarovana ara-kolontsaina ny tarhana
Miharihary amin'ny nahandro any atsimo atsinanan'i Bolgaria ny fitaomana tatsinanana, akaikin'ny sisintanin'i Torkia sy Gresy. Mampiroborobo ny mofomamy tarhana avy amin'ny fomba nahandro noforonin’ny renibeny i Temenuzhka Mateva.
Taorian'ny fanafihana ny foibem-piarahamonina LGBTI ao Sofia, miampanga ny herisetran'ireo mahery fihetsika elatra havanana ireo mpikatroka sy politisianina Bolgara
Vondrona milisy neo-Nazi no nandroba ny foibe fanohanana ny LGBTI Rainbow Hub tao Sofia, nanafika ilay vehivavy mpikatroka Gloria Filipova andro vitsivitsy taorian'ny nanafoanan'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana ny fankatoavana ny Fifanarahana Istanbul.
Inona no olana telo volana taorian'ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tany Bolgaria?
Mpanao politika malaza nanao ho fananany manokana ny morondranomasina ho an'ny daholobe. Mitaky ny fanavaozana tanteraka ny rafitra politika feno kolikoly ny hetsi-bahoaka midadasika ankehitriny.
Tokony heverina ho teny fankahalana ny fitsipahana fisian'ny Holocaust ao amin'ny Facebook, hoy ny fitakian'ireo sisa niangana
Tsy tahaka an'i Eoropa, izay mametraka ny kabarim-pankahalàna ho heloka bevava noho ny niainan'ny ankamaroan'ireo firenena ireo ny horohoron'ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy manana lalàna tahaka izany kosa eo amin'ny sehatra manerana ny firenena i Etazonia.
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.