Tantara mikasika ny Tajikistan
Ny fahatsiarovan'ireo diplaomaty amerikàna, manome fitantaràna mafonja momba ny tantaran'i Azia
Lohahevitra miverimberina ao ny fihetsika maharikoriko ataon'i Karimov sy ny tsy fanajàny ireo mpiaramiasa aminy any amin'ny faritra
Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan
Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan, mitera-bola goavana ho an'ny governemanta tajik izany fa manimba kosa ny olompirenena sy ny rohivoary.
Manakaiky ireo mpitondra mpanao jadona ny filoha Aliyev
Tao anatin'ireo tranga rehetra ireo, vitan'ny governemanta Azerbaijani sy ny lehibeny ny nanatanteraka fifandraharahàna ara-bola mampiahiahy sy nametraka fifamatorana vaovao no sady namoritra ny fahalalahana
Ny zanakalahin'ny filohan'i Tajikistan no nampahomby ny ekipam-pirenena tamin'ny fiadiana ny amboara Aziatika
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'izay rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe "Orzu-2026" (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Ny ondry Arashan goavambe sy tena lafo vidy any Azia Afovoany
Ny fahavitsian'ny ondry Arashan, ny habeny mahavariana, ary ny hafainganan'ny fitomboany no nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo tadiavina indrindra amin'ny tsenan'ny biby any Azia Afovoany.
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.
Raha ankatoavina, ny ratsy no betsaka ho entin'ilay tolodalàna momba ny bilaogera ao Tajikistan
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nahitàna fihemorana be ny momba ny fahalalahana ara-pôlitika sy ny fahalalahan'ny fanehoankevitra amin'ny ankapobeny ao amin'ny firenena
Podcast: Manitsy ny vokatry ny korontana ara-jeopolitika i Asia Afovoany
Azavain'i Zhar Zardykhan, tonian'ny ao Azia Afovoany amintsika ny fiantraikan'ny savorovoro ao Afghanistan sy ao Okraina.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.