Rosia: Fanadihadiana momba ny fialan-tsasatra

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2007)

Ny fikambanan'ny LJ amin'ny teny Rosiana eco_altai dia toerana hihaonana sy hizarana ireo fahatsapana sy sary mahafinaritra eo amin'ireo mpankafy ny tontolo iainana ao amin'ny Repoblika Altai any Rosia .

Amin'izao fotoana izao, dia misy ny fanadihadiana mahaliana (RUS) tontosaina ao: momba ny fialantsasatra ao amin'ny Federasiona Rosiana.

Bilaogera am-polony vitsivitsy monja no namaly ireo fanontaniana valo tamin'ny fanadihadiana hatramin'izao, saingy 10 voalohany amin'ny laharana Yandex Blogs izany ankehitriny, ka mety hitombo ny isan'ireo hamaly.

Ireto ny endriky ny vokatra sasantsasany:

Fanontaniana # 1: “Ahoana ny fihetsikao manoloana ny fialantsasatra any Rosia?”

Bilaogera 32 no mihevitra fa tsara izany – saingy “tsy misy fitiavana tafahoatra (fanatisma);” bilaogera valo tsy miraharaha ary mifidy ny toerana alehan'izy ireo arakaraka ny toe-javatra; bilaogera fito no milaza fa “tsy misy tsara noho izao”; bilaogera roa mbola tsy nanao vakansy tany Rosia mihitsy fa aleony mandeha any ivelany; ary bilaogera iray (mpisera LJ jan-kiepura) ihany no miala sasatra ao Rosia – “noho ny fitsipika.”

Fanontaniana # 2: “Ahoana/ aiza ny toerana handanianao ny fialan-tsasatra any Rosia?”

Bilaogera 26 maniry “fialan-tsasatra mavitrika” – filasiana tsy matihanina, manao ski, sns. Bilaogera 20 mandeha any ambanivohitra – na ny dachas; bilaogera miisa 18 tsy te handeha lavitry ny trano fa aleony manao “tonotonon-kena (barbecue)” miaraka amin'ny namana; bilaogera 11 mandeha mankany amin'ny faritra an-dranomasina; ary bilaogera iray (mpampiasa LJ yasheruga) mandeha amin'ny fivahiniana masina.

Fanontaniana # 3: “Aiza ianao matetika no miala sasatra any Rosia?”

Ny toerana fialan-tsasatra malaza indrindra dia ny Ranomasina Mainty – anisan'izany i Crimea, izay faritany Okraniana (bilaogera 23 no milaza fa mankany); Bilaogera 20 mitsidika ireo tanàna lehibe ao Rosia (Moskoa, St. Petersburg, Novosibirsk, sns.); bilaogera 18 mitsidika ireo tanàna fahiny ao Rosia; bilaogera 13 no mankany Karelia; bilaogera 12 mandeha lavitra any avaratra; 10 ny bilaogera te ho any Altai; ary nahazo mpitsidika mpisera LJ Rosiana fito avy i Ural sy Kaokazy.

Fanontaniana # 4: “Inona no TIANAO momba ny fialantsasatra ao Rosia?”

Bilaogera 29 mankafy ny hatsarana sy ny fahasamihafan'ny natiora; Bilaogera 24 mankafy ireo toerana izay tsy mbola nokasihin'ny sivilizasiona; tahaka ny maro misafidy an'i Rosia satria midika izany fa tsy mila visa izy ireo; ho an'ireo bilaogera 17, fomba iray hahafantarana bebe kokoa momba ny fireneny izany; manintona ireo bilaogera 12 kosa ny tolotra amin'ny vidiny mora; bilaogera enina mampifandray ny fialan-tsasatra amin'ny fitsidihana hijery ireo namana sy havana monina any an-kafa; ary tsy nisy na iray tamin'ireo namaly nilaza momba ny tolotra izay antony mahatonga azy ireo hiala sasatra any Rosia.

Fanontaniana # 5: “Inona no TSY TIANAO momba ny fialan-tsasatra ao Rosia?”

Ny tolotra ratsy (“misy zavatra tsy mety foana amin'ny fomba fikarakarana ny dia, ny tsy fahalalam-pomban'ny mpamily, rano mitete ao amin'ny trano fivoahana, sns.”) no voka-dratsy lehibe; bilaogera 21 mankahala ny lalana sy ny fotodrafitrasa; Bilaogera 20 mahatsiaro malahelo noho ny habetsaky ny fako; Bilaogera 14 manahy mikasika ny fiarovana azy ireo; bilaogera 13 leo ny mpiray tanindrazana aminy (izay “mangataka mba hisotrosotro miaraka amin'izy ireo foana”); bilaogera folo mahatsapa fa tsy misy dikany ny olana rehetra; Bilaogera roao maniry “exotica” bebe kokoa (“hazo voanio, kangourou, serfing, etsetra”); Bilaogera iray (mpampiasa LJ simeon75) tia azy rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.