Afa-nandositra Ny Hatezeran'i Matthew i Jamaika – Saingy Raharaha Manahirana Ny Fiomanana Amin'ny Rivo-doza

Screenshot from a Climate State YouTube video showing Hurricane Matthew approaching Jamaica.

Pikantsary avy amin'ny lahatsary Youtube sampan-draharaham-panjakana misahana ny Famantarana ny Toetr'andro  mampiseho ny rivodoza Matthew mihamanantona an'i Jamaika.

Tamin'ny fiandohan'ny Oktobra 2016, nihetsika ny governemanta  Jamaikana rehefa nandeha miadana tahaka ny sifotra manerana ny faritra atsimon'i Karaiba ny Rivodoza Matthew , nijanona ary avy eo dia nitodika nankany avaratra andrefana, ka nanara-maso akaiky ny fizotry ny tafio-drivotra izay somary hafahafa lalana ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro ao Jamaika.

Fa tsy nampihontsina ireo Jamaikana sasany ny fomba nampilazana azy ireo tamin'izany. Moa ve nifehy be loatra ny fampahafantarana ny daholobe ny loza ny Praiminisitra Andrew Holness? Be loatra ve ny fanomanana an'i Jamaika tamin'ny rivodoza izay zara raha nisy fiantraikany tamin'ny nosy?

Fironana be loatra tao amin'ny Media sosialy

Vao maika navitrika tao amin'ny media sosialy nampalaza azy ny praiminisitra rehefa nihananatona ny rivodoza nandritra ny roa na telo andro, nizara torohevitra fohifohy niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta tao amin'ny Facebook Live. Nisioka momba ny raki-tsary sy ireo sarin'ny angidimby nitety ny nosy izy, ary ny sarin'ireo antsafa nataony tamin'ny mpanao gazety tao an-toerana sy tany ampitan-dranomasina:

Vao nisy ny antsafa be dia be niaraka tamin'i @jahnellabella tao amin'ny @televisionjam @RJRNewsOnline jereo izao hariva izao ao amin'ny Fanomboham-baovao hariva. pic.twitter.com/n73rOutgQs

Nisioka ny sarin'ireo fitsidihany ny  Office of Disaster Preparedness and Emergency Management (ODPEM) (Biraon'ny Fiomanana amin'ny Loza sy ny Fitantanana ny Vonjy Taitra) ihany koa izy, izay sampan-draharahan'ny governemanta misahana ny andraikitra amin'ny fiarovana ny olom-pirenena  amin'ny fotoana toy izao:

Ao amin'ny @odpem izao hihaino ny fanadihadiana sy ny fanavaozam-baovao momba ny fanomanana sy ny fahavononana hiatrika ny#HurricaneMatthew. pic.twitter.com/O2l5lGCbeX

Nisioka ny ahiahiny momba ny lalana simba tanteraka izay tsy mbola vita talohan'ny tafio-drivotra ihany koa ny vadin'i Holness, Juliet  izay mpikambana ao amin'ny parlemanta;

Arabe mihotsaka ao Gordon Twn amin'izao fotoana izao ahitana ny NWA miasa mitady vahaolana vonjimaika hisorohana ny fahavoazana bebe kokoa mandritra ny #HurricaneMatthew pic.twitter.com/lZ3ul5IDDw

Moa ve tsy manao ny asany ny Servisy Meteô?

Voaresaka ihany koa ny sampan-draharaha famantarana ny toetr'andro tao amin'ny firenena, ahatsapan'ny Jamaikana sasany fa nitsabaka tamin'ny asan'izy ireo ny biraon'ny praiminisitra. Nanahy ny tsy fahampian'ny fijoroan'ny ODPEM sy ny “birao meteô” ao amin'ny media sosialy ny mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Jamaikana iray sady nisioka hoe:

Misolo ny biraon'ny meteô angaha i Andrew ? Heveriko fa ny kely indrindra azony atao dia ny mamerina ny biraon'ny meteô an-tserasera indray (ny media sosialy indrindra indrindra)

Nisioka tamim-bazivazy ny iray hafa:

Rehefa tsy misy ny biraon'ny meteô harahanao ao amin'ny twitter dia mila manaraka ilay bandy ao amin'ny twitter manokana ianao mba hamantatra izay tena zava-mitranga pic.twitter.com/HGm9qC49V

Fa ho an'ny sampan-draharaha famantarana ny toetr'andro kosa, niresaka ny fijoroany fotoana fohy tao amin'ny media sosialy izy ireo tao amin'ny antsafa iray tao amin'ny onjampeo:

Miadihevitra izahay mba hamerina ny @MetserviceJA indray (MAVITRIKA) ao amin'ny twitter.

Evan Thompson, Servisy Meteô, Ja #RJRBTH

Nanamarika ilay bilaogera Susan Goffe  :

There are some people who are angry with the government and the weather forecasters because they advised people to prepare for a possible encounter with Hurricane Matthew, and in the end Jamaica hasn’t been severely impacted. Based on the ongoing information available from meteorologists locally, regionally & internationally, Jamaica was in the cone of possible impact of the system, which on Friday night reached the level of a Category 5 hurricane, the highest strength on the Saffir-Simpson Scale.

The government will obviously need to review its actions over the past week or so, to identify any flaws in its response and what improvements can be made. Meteorologists will definitely review the data about Hurricane Matthew for years to come, seeking to understand this unpredictable storm among unpredictable storms. And all of us can review our own responses to see what lessons there are for us to learn about how best to protect ourselves and our families.

As we watch Hurricane Matthew battering Haiti and Cuba, let’s remember that we were facing that possibility and if the track had wobbled a bit to the west and Jamaica had been hit, would we have wanted to be prepared or not?

Misy olona sasany izay tezitra tamin'ny governemanta sy ny mpilaza toetrandro satria nanoro hevitra ny olona izy ireo mba hiomana amin'ny mety ho fihaonana amin'ny Rivodoza Matthew, kanefa  tsy nisy fiantraikany mafy tao Jamaika akory izany . Tao anatin'ireo mety ho voakasika i Jamaika araka ny tatitra mitohy azo avy amin'ny mpamantatra ny toetr'andro ao an-toerana, ao amin'ny faritra ary iraisampirenena,  izay  nahatratra ny haavon'ny Sokajin-drivodoza faha 5  izany tamin'ny zoma alina , tondro mahery indrindra amin'ny Refy Saffir-Simpson.

Dia mazava ho azy fa  mila mamerina ny zavatra nataony nandritra ny herinandro ny governemanta, mba hamantarana izay lesoka tamin'ny valinteniny sy ny fanatsarana azo atao. Hamerina hijery manontolo ny lahatahiry momba ny Rivodoza Matthew ny mpamantatra ny toetrandro ao anatin'ny taona maro ho avy, mba hamantarana ilay tafiodrivotra tsy ampoizina ao anatin'ireo tafiodrivotra tsy ampoizina ity. Ary afaka handinika ny valintenintsika tsirairay avy isika rehetra mba hahitana izay lesona azo raisina ho antsika ka hahafantatra ny fomba tsara indrindra hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika.

Rehefa mijery ny Rivodoza Matthew namely an'i Haiti sy Kiobà isika, dia tadidio fa mety hiatrika izany isika ary raha toa ka niankandrefana ny lalany dia efa voa i Jamaika, te-hivonona ve isika sa tsia?

Mandritra izany fotoana izany, nanome fanavaozam-baovao tsy tapaka ny mpanolotra ao amin'ny fahitalavitra CVM, Patria Kay Aarons, tao amin'ny Pejin'ny Filazana ny toetrandro ao amin'ny Fahitalavitra CVM tamin'ny alalan'ny Facebook Live sady namaly ihany koa ireo fanontanian'ny mpijery. Nahazo mpijery an'arivony izy.

Fikorontanana ara-politika

Nisioka momba ny fitsidihany ny fari-pifidianana nahavoafidy azy manokana ny mpitarika ny mpanohitra, Portia Simpson Miller, mandritra izany fotoana izany:

Fitsidihana ny fari-pifidianana sahaniko niaraka tamin'ny ben'ny tanàna Burke Brown. Nomena fanampiana ireo izay mila fanohanana fanampiny #MappingMatthew pic.twitter.com/vWcrrEdEFO

Na izany aza,  nampangain'ny lefiny tamin'ny fanaovana kasikety misy ny teny filamatry ny antoko tao amin'ny sioka iray ny praiminisitra. Raha jerena akaiky kokoa, misy soratra hoe “Jamaika” ilay kasiketiny (kanefa maitso ny lokon'ny Antokon'ny Mpiasa ao Jamaika, izay tarihin'i Holness ). Nizara toy izao ny mpanao gazety iray :

Tezitra tamin'ny kasikety JA nanaovan'ny PM @AndrewHolnessJM androany ny lefitry ny lehiben'ny mpanohitra @sandreafalconer. Ilay kasikety maitso no olan'ilay mpitaiza voromahery.

Tsy faly ihany koa ny Talen'ny Foibe Fampihenana Ny Mety Ho Loza ao amin'ny Oniversiten'i Antilles (UWI), Dr. Barbara Carby, nandritra ny valan-dresaka iray talohan'ny nandalovan'i Matthew, ary niampanga ny governemanta ho niala tamin'ny fifanekena izay natao tamin'ny fanilihana ny ODPEM – izay sampan-draharahan'ny governemanta nentiny teo aloha. Taorian'ny tafio-drivotra, naneho fihetseham-po mitovy amin'izany koa ny Antokom-Bagiaja Nasionaly avy amin'ny mpanohitra.

Voamarika ihany koa ny fanatrehana miharihary nataon'i Desmond McKenzie, minisitry ny governemanta ao an-toerana, tamin'ny valan-dresaka niarahana tamin'ny mpanao gazety. Nisioka hoe ny minisiterany:

#MitrangaAminIzaoOraIzao Vaovao farany sy fanomanana amin'ny Rivodoza Matthew tao amin'ny Foibe Nasionaly Misahana ny Vonjy Taitra (NEOC). #Mihomana #Voavonjy pic.twitter.com/WhcXfZT4z0

Nanontany tena ny mpisera sasany raha mety misy hifandraisany amin'ny fifidianan'ny governemanta ao an-toerana ilay karazana fanatrehana ara-politika, fifidianana  izay kasaina hatao alohan'ny faran'ny taona.

‘Ilaina ny fiomanana kely mba isorohana ny loza’

Amin'ny ankapobeny, toa tena afa-po tamin'ny fiomanan'ny governemanta ireo Jamaikana . Nisioka ny tanora mpisolovava iray hoe:

Mankasitraka ny Biraon'ny Famantarana ny Toetr'andro sy ny fitondram-panjakana aho noho ny amin'ireo zava-drehetra noheverin'izy ireo fa ilaina mba hanomanana antsika, afaka niomana ho amin'ny rivo-doza isika amin'izay.

Nanampy ny tanora mpandraharaha iray :

Atoa PM @AndrewHolnessJM , angamba mety tsy mankasitraka izany ny olona sasany , kanefa MISAOTRA ANAO AHO. Izany no fiainana izao->
Ho avy ny rivo-mahery ,tsy maintsy vonona isika!

Mandritra izany fotoana izany, manohy ny famelezany an'i Bahamas ny rivo-doza Matthew ary mandrahona ny morontsiraka atsinanan'i Florida tamin'ny Alakamisy 6 Oktobra teo, hita voalohany tamin'ny lohatenim-baovao  tao amin'ny fampahalalam-baovao tamin'ny fahitalavitra hariva ny lavaka lehibe niseho teo amin'ny lalambe tao Kingston  ka mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Naneho hevitra tamin'ny fanamboaran-dalana ny mpanolo-tsainan'ny fampandrosoana Jan Voorduow, nonina tao Haiti teo aloha :

@Petchary Azonao an-tsaina ve? Tanàna iray manontolo no rava any amin'ny 321 kilaometatra any…

Nanampy i Jean Lowrie-Chin, mpanao matoandahatsoratra sady malala-tanana, hoe :

Henjana ny fitohanana ao Kingston .. kanefa kely izany … raha oharina amin'ny fahafatesan'olona mahatsiravina  😢 sy ny faharavana ao #Haiti 🇭🇹 #tolotanana #omeofisaorana

Tsy kivy ny biraon'ny praiminisitra sady nanohy tamin'ny fandangolangoana tao amin'ny media sosialy:

Mila mizatra izany vaovao ara-dalàna izany i Jamaika  fa isaky ny misy loza mitatao mitranga, dia tsy maintsy vonona isika. pic.twitter.com/sFbBcztB2z

Tao amin'ny pejiny Facebook , nanolotra teny fiaraha-miory ny praiminisitra, ary nanome toky ny fanohanany ireo mpifanolobodirindrina amin'ny Jamaika ao Karaiba :

I am deeply saddened by the destruction caused by hurricane Matthew and extend deep sympathy on behalf of the government and people of Jamaica. I also extend best wishes for a speedy recovery from the effects of this terrible storm.

Tena malahelo aho noho ny faharavana nateraky ny rivodoza Matthew ary hanome firaisam-po lalina amin'ny anaran'ny governemanta sy ny mponina eto Jamaika.  Hanome firariantsoa tsara indrindra ihany koa aho ho sitrana haingana amin'ny vokatr'io rivodoza mahatsiravina io.

Na dia nanao fandaminana aza ny ODPEM tamin'ny fandefasana mpiasa sy vatsy ho any Haiti izay firenena tena lasibatry ny fahasimbana sy fahafatesan'olona avy amin'ny tafiodrivotra, dia miharihary fa sarotra ny fiomanana tamin'ny rivodoza ary miteraka fandaniana ara-pampitaovana lafo dia lafo hatrany ho an'ny firenena Karaibeana – ary raha ny momba an'i Jamaika manokana, nisy fanamby sarotra ara-pifandraisana tamin'ny rivodoza Matthew sady fitsapana lehibe tamin'ny faharetan'ny olom-pirenena .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.