Enim-bolana Taorian'ny Fahafatesan-Trondro Maro dia Maro Tao Afovoan'i Vietnam, Manao Fihetsiketsehana Manohitra ny Tsy Fisian'ny Fanampiana Ireo Olona An'arivony

More than 10,000 people protest outside Formosa in Ha Tinh Province, Vietnam. Source: Facebook page of Paulus Lê Sơn

Olona maherin'ny 10.000 no nanao fihetsiketsehana tao ivelan'ny biraon'ny Formosa Ha Tinh, Vietnam. Sary: Pejy Facebook-n'i Paulus Lê Sơn

Olona manodidina ny 10000 hatramin'ny 15000 no nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana milamina tao ivelan'ny orinasam-by izay voampanga ho mandoto ny renirano ka niteraka fahafatesana trondro maro dia maro tao amorontsiraka afovoan'i Vietnam

Natao tamin'ny 2 Oktobra ny fihetsiketsehana ary nokarakarain'ireo mponina voakasika sy ny mpanjono voalaza fa mbola tsy nahazo onitra avy amin'ny Formosa Ha Tinh, orinasa Taiwaney tompon'ny orinasam-by.

Tamin'ny volana Aprily 2016 no notaterina voalohany ny loza ara-tontolo iainana.

Nisy ny fihetsiketsehana nokarakaraina isan-kerinandro ho fanoherana ny fihisaran'ny fanadihadiana ataon”ny governemanta, na dia eo aza ny fitomboan'isan'ny trondro maty ao amin'ny faritany Ha Tinh.

Nisy ihany nony farany ny fandaminana nambaran'ny governemanta sy ny Fomosa tamin'ny volana Jiona, mitaky amin'ny orinasa mba hanome onitra ara-bola ho an'ireo mponina voakasika.

Na izany aza, nitombo ny tsy fahafaham-po teo amin'ny mpanjono sy ny fianakavian'izy ireo any ifotony satria tsy nisy akory ny onitra nomena azy ireo.

Nandritra ny fihetsiketsehana faran'ny herinandro vao haingana, nanararaotra ny fitaovana media sosialy isan-karazany ireo mpikatroka sy olon-tsotra mpanao gazety mba hamoaka ny hetsika tsy misy herisetra. Efa nakaton'ny manampahefana Vietnamiana ny Facebook taloha nandritra ny hetsika lehibe mifandraika amin'ny famonoana trondro. Na izany aza, nampiasa fitaovana fanivahana ny mpiserasera mba ahafahana miditra ao amin'ny tranonkala media sosialy malaza.

Nampiasa lahatsary drôna ny pejy Facebook-n'ny Kongregasionan'ny Tanoran'i Ky Anh mba handrakitra ny fihetsiketsehana. Efa nanintona mpijery maherin'ny 250.000 sahady ny lahatsary hatramin'ny namoahana azy voalohany.

Naparitaka avy hatrany tao amin'ny media sosialy ny sarin'ireo olona manao fihetsiketsehana tao ivelan'ny Formosa, ka maro ireo sary niely fatratra.

A a nun holding a sign “Stand up for justice, don’t be afraid”. Source: Facebook page of Việt Tân

Masera mitazona sora-baventy “Mijoroa ho amin'ny rariny, aza matahotra”. Sary: Pejy Facebook-n'ny Cát Trắng Sông La

Na dia teo aza ny polisy, afaka nihanika sy nitifitra loko teo amin'ny vavahady ivelan'ny Formosa ireo mpanao fihetsiketsehana milamina. Nandefa horonantsary mirakitra ny zava-nitranga tao amin'ny pejiny ilay olon-tsotra mpanao gazety Paulus Le Son, ka nahasarika mpijery maherin'ny 500 000 izany.

Protesters sit on the gate outside Formosa Ha Tinh. Source: Facebook page of Giới Trẻ Dũ Yên

Mpanao fihetsiketsehana mipetraka eo amin'ny vavahady ao ivelan'ny Formosa Ha Tinh. Sary: Pejy Facebookn'ny Giới Trẻ Dũ Yên

Ankoatra ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny orinasam-by, tokantrano maherin'ny 1.000 ao amin'ny faritany Ha Tinh no nanao fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny Antenimieram-pirenena ao Vietnam, miantso ny governemanta mba hizara onitra avy hatrany ho an'ireo mponina voakasika. Nanatevin-daharana azy ireo koa ny fianakaviana voakasika 619 avy ao Quynh Lưu, Distrikan'ny faritany nghe An, izay nandefa fangatahana ho any amin'ny Antenimieram-pirenena ihany koa tamin'ny 3 Oktobra.

Nanazava ny maha zava-dehibe ny hetsi-panoherana ny mompera Tran Dinh Lai, mpikarakara hetsika ara-piarahamonina ao amin'ny faritany Ha Tinh:

We know this regime won’t offer us justice. Nor do they represent the interests of the victims. We know that too well. However, there is a saying: ‘if a baby doesn't cry, then the mother won’t know when to feed the baby.’ If the victims and the people don't speak out, no one will feel the pressure.

Fantatray fa tsy hanome rariny ho anay ity fitondrana ity. Tsy mampiseho ny mahasoa ny niharam-boina izy ireo. Fantatray tsara koa izany. Na izany aza, misy ny fomba fiteny hoe: ‘Raha tsy mitomany ny zaza, tsy fantatry ny reniny hoe rahoviana no omena sakafo ny zaza.’ Raha tsy miloa-bava ny vahoaka sy ny niharam-boina, tsy misy olona hahatsapa ny fanerena.

Nampitandrina ny manampahefana ireo mpanao sonia fa hametraka fitoriana faobe ho fanampin'ireo fitoriana mbola miandry raha tsy voavaly ao anatin'ny tapa-bolana ny fitakian'izy ireo.

Tamin'ny 26 sy 27 Septambra, mponina an-jatony no nandeha tongotra 200 km mahery mba hametraka fitoriana ny Formosa maherin'ny 500.

Nandefa mivantana ny fivorian'ireo mpanao sonia ny pejy Facebook-n'ny Tanora Katolika, ka nahasarika ny sain'ny fiarahamonina antserasera ao an-toerana izany.

Nandefa mivantana ny hetsika tao anatiny sy tao ivelan'ny Fitsarana ao Ky Anh tao amin'ny Facebook ireo mpikambana ao amin'ny delegasiona, anisan'izany i Peter Tran Sang, izay nahasarika mpanaraka be dia be nandritra ny fandraketana ny lahatsariny.

Events inside and outside Ky Anh Court were broadcast using Facebook Live by members of the delegation including Peter Tran Sang, whose videos attracted a large following during the recording.

Nalaza be tao amin'ny aterineto ny sary iray navoakany, miaraka amin'ny fanazavana nozarain'ireo olona an-jatony nilaza hoe:

I, too, am thirsty and tired but I’ll share this with you if you side with the people.

Izaho koa mba mangetaheta sy reraka saingy hizara ity aminao aho raha manohana ny vahoaka ianao

Source: Facebook page of Peter Trần Sáng

Sary: Pejy Facebook-n'i Peter Trần Sáng

Nanamafy ny fitakian'izy ireo tamim-pahombiazana tao amin'ny sampana rehetra ao amin'ny governemanta ireo niharam-boina tamin'ity loza ara-tontolo iainana ity, araka ny filazan'i Le Cong Dinh mpisolovavan'ny zon'olombelona malaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.