Firaisankinan'i Pôrtô Rikana, Namiratra ao Anatin'ny Fahatapahan-Jiro Manerana Ny Tangoro-Nosy

Mpiasa avy ao amin'ny Fahefana misahana ny Herinaratra ao Pôrtô Rikô (PREPA) ao amin'ny toby mpamelona herinaratra Aguirre akaikin'ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Pôrtô Rikô nandritra ny fahatapahan-jiro namely ny nosy rehetra tao Pôrô Rikô tamin'ny Alarobia 21 Septambra. Pikantsary tamin'ny video.
Somary miha-miverina amin'ny laoniny ihany ny toe-draharaha ao Pôrtô Rikô taorian'ny fahatapahan-jiro tamin'ny tolakandron'ny 21 Septambra izay saika namely ny vondronosy manontolo nandritra ny telo andro, na dia niverina ela kokoa taty aoriana aza izany ho an'ny olona sasany. Na dia ny kaominin'ny nosy ao Vieques sy Culebra kosa aza tsy afa-bela amin'ny fiantraikan'ny fahatapahan-jiro, na apagón amin'ny teny espaniola.
Tombanana ho 1 miliara dolara Amerikana ny fatiantoka ara-toekarena mivantana noho ny fahatapahan-jiro. Nitatitra ny Departemantan'ny Fampianarana fa eo amin'ny 103.941 dolara eo farafahakeliny ny fahaverezana noho ny sakafo simba tamin'ny programan-tsakafo an-tsekolim-panjakana noho ny fahatapahan-jiro. Ary tsy manana fampandehanana herinaratra vonjimaika ny tahirin-drano sasany ao Pôrtô Rikô, tahaka an'i La Plata, ka midika izany fa tokony ho olona 250.000 eo no tsy misy rano.
Tao anatin'ny aizina, nirehitra namirapiratra ny firaisankinan'i Porto Rikana teo amin'ny mpiara-monina.
Nandritra ny fahatapahan-jiro, somary nisosa tsara ihany ny zava-drehetra na dia teo aza ny tsy fisiana saika manontolo amin'ny filàna fototra. Tsy nisy ny fandrobàna ary tsy nisy ny herisetra nandritra ny fahatapahan-jiro. Satria tsy mandeha ny jiron'ny fifamoivoizana, mamitaka ny lalana (jereo ny lahatsary eto ambany), saingy tsy nisy ny tatitra lozam-pifamoivoizana goavana. Mandamina ny fifamoivoizana kosa ny polisy eny amin'ny sampanan-dalana be mpivezivezy indrindra, ka nahavaha olona be dia be izany.
Nidika ho fahasarotam-piainana ny fahatapahan-jiro ho an'ny Pôrtô Rikana, saingy namoaka ny toetra tsara indrindra teo amin'ny maro izany. Maro ny olona nanana herinaratra vonjimaika na efa niverina ny jirony no nanampy ireo namana sy mpifanolo-borindrina, ary indraindray aza, ho an'ny olon-tsy fantatra mihitsy – mba ahafahan'izy ireo mahandro sakafo, na mamahana ny ventilatera, radio na finday avo lenta mandeha herinaratra. (Mazava ho azy fa tsy manakana ny olona tsy hampiasa media sosialy mba hifandray sy hanaraka akaiky ny fivoaran'ny fepetra raisin'ny fahefana misahana ny herinaratra amin'ny fiverenan'ny jiro ny fahatapahana.)
Tsy nampijanona ny fankalazana ny Grito de Lares (ny Tomanin'i Lares) tamin'ny 23 Septambra, andro manamarika ny hetsika mpitady fahaleovantenan'i Pôrtô Rikô tamin'ny taonjato faha-19 izay nanomboka ny fikomiana manohitra ny governemanta Espaniola tao amin'ny tanàna tendrombohitr'i Lares tamin'ny taona 1868 ihany koa izany. Tamin'izany fotoana izany, nihay hina niaraka tamin'ny Kiobàna mitolona ho amin'ny fahaleovantenan'izy ireo manokana ireo Pôrtô Rikana mpitolona ho amin'ny fahafahana.
Tsy mbola fantatra ny antony mahatonga ny fahatapahana tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Ny fahamaizana tao amin'ny toby mpamelona herinaratra Aguirre eo akaikin'ny morontsiraka atsimo-atsinanan'ny nosy lehibe indrindra ao Pôrtô Rikô no niteraka ny firodanan'ny rafitra manontolo, saingy tsy mbola fantatra izay nahatonga ny afo, hita sary ao amin'ny lahatsary eto ambany:
Ny Autoridad de Energía Eléctrica (AEE) na ny Fahefana Misahana ny Herinaratra ao Pôrtô Rikô (PREPA amin'ny teny anglisy) ihany no hany manome herinaratra araka izay ilain'i Pôrtô Rikô, orinasam-panjakana voaresaka tamin'ny vaovao tao anatin'ny taona vitsy lasa noho ny trosa eo ho eo amin'ny 9 miliara dolara ezahiny hanaovana fifampiraharahana. Tsy mahagaga fa rehefa avy nandany 43 tapitrisa dolara sahady tamin'ny fanaramàna manam-pahaizana momba ny drafi-famerenana ny trosan'ny orinasam-panjakana ny governemanta, dia mitaky ny fanomezana ny PREPA hotantanin'ny tsy miankina kosa ny sasany, tsy miraharaha ny fiantraikan'izany [fanomezam-pitantana ho an'ny tsy miankina] eo amin'ny firenena izay 40% ny mponina no heverina fa miaina eo amin'ny tokonan'ny fahantrana.
Ny Angovo nohavaozina no nolazaina hatrany fa vahaolana ho an'ny PREPA. Eny tokoa, manana safidy maro i Pôrtô Rikô raha resaka vahaolana hafa amin'ny angovo no resahana. Noho ny toerany ara-jeografia ao Karaiba, afaka mitrandraka tsara ny herin'ny masoandro, rivotra sy ny ranomasina i Pôrtô Rikô mba hanome fahafaham-po amin'ny filàna angovo. Saingy ara-tantara, tsy resy lahatra amin'ny fidirana amin'izany safidy izany ny governemanta, fa misafidy hiantehitra amin'ny solika ho fanomezana fahafaham-po amin'ny tinadin'ny angovo.
Mamely ihany koa ny fahatapahan-jiro tao Pôrtô Rikô, faritany Amerikana manana zon'olom-pirenena voafetra, raha mbola rangitra tamin'ny fanapahan-kevitra vao haingana noraisin'ny governemantan'i Etazonia hampihena ny fizakan-tenany. Ny tena hevi-dehiben'ny apagón dia azo antoka fa voazavan'i Maritza Stanchich, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Pôtô Rikô ao Rio Piedras, izay nanoratra fomba fijery azo tsapain-tanana tao amin'ny Huffington Post:
The blackout spells the collapse of the Free Associated State—or “Commonwealth” as Puerto Rico has been called euphemistically—in even more tangible terms than all the seismic events of the past year, including two U.S. Supreme Court rulings that annulled Puerto Rico’s Constitution and sovereignty—or exposed it as the apparent lie it always was.
The blackout also portends the coming storm of the federally-imposed fiscal control board, instituted as part of PROMESA, the Orwellian-sounding law named for its acronym, Spanish for “promise.” President Obama’s recently announced appointees to the fiscal control board promise neoliberal economic austerity to do the bidding of vulture hedge funds, as well as social unrest.
Ny fahatapahan-jiro dia midika firodanan'ny Fanjakana Tafaray Tamim-pahalalahana—na “Commonwealth” araka ny fiantsoan'i Pôrtô Rikô azy amin'ny fanalefahan-teny – amin'ny teny azo tsapain-tanana kokoa hoe ireo fotoana nampihovitrovitra ny tany tamin'ny herintaona, anisan'izany ireo didim-pitsarana roa navoakan'ny Fitsarana Tampony Amerikana nanafoana ny lalàmpanorenana sy ny fiandrianampirenen'i Pôrtô Rikô—na naneho azy ho lainga miharihary nahazatra azy hatrizay.
Ny fahatapahan-jiro koa dia manambara ny fiavian'ny tafio-drivotry ny birao manaramaso ny hetra napetraky ny [fanjakana] federaly, naorina ho anisan'ny PROMESA, ilay lalàna Orwellian [mpandrava ny fisokafan'ny fiarahamonina] manana fanafohezan-teny midika hoe “fampanantenana” amin'ny teny Espaniola. Vao nanendry ireo olona ao amin'ny birao fanaraha-maso ny hetra ny Filoha Obama [hampanao ny fitsitsiana ara-toekarena neoliberaly hijery ireo tolobidy fangalaram-bolam-panjakana] sy niteraka fitokonana ara-tsosialy.
Noho ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-politika mampalahelo, mampamirapiratra ny toerana amin'ny fahatsaram-panahy sy ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-belona aminy ny Pôrtô Rikana nandritra ny fahatapahan-jiro.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...