
Andro voalohany tsy nitondràna fiara tao Brunei. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Ministeran'ny Fahasalamàna, Brunei Darussalam
Ora efatra be voninahitra tamin'ny Alahady 2 Oktobra lasa teo, sambany tamin'ity taona ity ny renivohitr'i Brunei no tsy nisy fiara. Ampahany amin'ny fandaharanasan'ny Governemanta nomeny anarana hoe “Bandarku Ceria” (Ny Tanànako Faly) io andrana io mba hamadihana an'i Bandar Seri Begawan ho toy ny kianja iray an-drenivohitra.
Navadik'ireo manampahefana ny tanàna mba ho lasa kianja iray midadasika ahafahan'ireo bisikilety sy mpihazakazaka hisolo ny fiara. Namporisihan'ny fanjakàna ny fianakaviana mba hanao fampiasana vatana ivelan'ny tokantrano, ary nanasa ireo mpandraharaha madinika ry zareo mba hivarotra vokatra eny an'arabe. Na ireo mpankanto aza dia hita nampiseho ny asany nandritra ilay andro voalohany tamin'ny 2016 tsy nitondràna fiara.
Ho ampahany amin'ny fampitomboana ny fahatsiarovantenan'ny olona mikasika ireo toerana manan-tantara ao an-tanàna dia nanolotra fandehandehanana natao hoe “Lova-selfie” ihany koa ireo tomponandraikitry ny fizahantany.
Nohazavain'ny departemanta monisipalin'i Bandar Seri Begawan fa ilay andro tsy itondràna fiara dia “mikendry ny hampiroborobo fomba fiaina ara-pahasalamana ary hampihena ny fandefasana entona karbona ao an-tanàna.”
Nahazo aingam-panahy avy amin'ny fahalavorarian'ilay hetsika, lazain'ireo tomponandraikitra fa ho averina isankerinandro ilay hetsika mba handrisihana mponina betsaka kokoa haka fomba fiaina mahasalama ary madio kokoa.
Afaka arahana ao amin'ny media sosialy amin'ny alàlan'ny tenifototra #carfreesundaybn sy #bandarkuceria ilay hetsika isankerinandro .
#carfree #BandarkuCeria pic.twitter.com/CC2pDaINAp
— asp (@aiddisyafi) October 2, 2016
Sunday Morning activity ! 💃🏻 #DiscoverBrunei 🇧🇳 pic.twitter.com/8Z6WvoNdHR
— ziäh (@haziahsn) October 2, 2016
Asa Alahady Maraina! 💃🏻 #DiscoverBrunei
Ireto ny sasantsasany amin'ireo sehatra hita tao an-drenivohitra tamin'ilay Alahady tsy nitondràna fiara: