!["Oplan Bayanihan [a military counterinsurgency program] pushes Lumads to evacuate their lands, but also paves the way for corporations to take hold of the land, and use the Armed Forces of the Philippines as their own security force as they plunder and suck the Earth of it's natural elements." Image by Anakbayan USA.](https://globalvoices.org/wp-content/uploads/2015/10/mining-activities-in-mindanao-600x600.jpg)
“Oplan Bayanihan [fandaharanasa manohitra ny jadona miaramila] manosika ireo Lumads handao ny taniny, nefa koa manomana ny làlana ho an'ireo vondron'orinasa haka ny tany, sy mampiasa ny Tafika mitam-piadiana ao Filipina ho toy ny hery mpiaro azy ireo manokana amin'ny asa fandrobana sy fitsentsefan-dry zareo ny Tany sy ny singa voajanahariny.” Sary sy maribolana avy amin'i Anakbayan USA.
Notaterin'ireo mpitarika Lumad avy any amin'ny faritanin'i Surigao fa tafihan'ireo milisy ny sekoly sy ny vondrom-piarahamonin-dry zareo, nanery olona maherin'ny 2.000 handao ny trano fonenany ka nankany an-tendrombohitra sy nitady fialofana any afovoan-tanàna. Marobe ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Lumad izay efa navitrika nanohitra ny fidiran'ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany.
Ny Kaomisionam-Pirenena Momba ny Kolontsaina sy ny Taokanto (NCCA), masoivoho iray an'ny governemanta, dia namaritra ny herisetra atao amin'ireo Lumad ho toy ny fanafihana atao amin'ny kolontsaina Filipiana :
Eken'ny NCCA ny fisian'ireny vahoaka indizena ireny sy ireo mpitarika azy ho toy ny fototra sy hazondamosina amin'ny lova ara-kolontsaina tsy hita maso ananan'ny firenena. Izy ireo no mpitondra ireo fomba amam-panao nentin-drazana tsy manam-paharoa teo amintsika. Mpamono ny fanahin'ny vahoakantsika izay mpamono azy ireo. Amin'ny maha-mpampita hita maso ny rafi-pahalalàna vita sedran'ny fotoana, ireo traikefa sy fomba fanao, ny fandratràna azy ireo dia fanimbàna ny fototry ny kolontsaina ho amin'ny fampandrosoana maharitra ny firenentsika.
Nandritry ny andro maro tamin'ny Septambra, nalaza tao Filipina ny tenifototra #StopLumadKillings tao amin'ny Twitter rehefa nandray ny tambajotra sosialy ry zareo Filipino mpisera amin'ny aterineto mba haneho ny firaisany hina amin'ireo Lumad nafindra toerana. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ny sary sy kisarisary fanehoana fanohanana ny Lumad :

Maneho ny fijoroan'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny Tanànan'i Tandag ny faneva eto, toerana izay nahitan'ireo Lumad 2.000 mahery fialofana. Sary nozarain'i Manassas Benedict L. Serrano tao amin'ny Facebook

Mpampianatra ao Manilla mamaly ny antso hisian'ny fiarovana ireo Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Carl Marc Ramota.

Vehivavy mpikatroka mafàna fo ao Manila maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tudla

Nangatahan'ireo mpampiasa Facebook ny hampiasàna ity ho sary momba ny tena, noforonin'ny vondrona mpiaro zon'olombelona ho fanohanana ny Lumad.
Students from St. Scho-Manila held a noise barrage in support to #StopLumadKillings. | Photos via Edd Gumban pic.twitter.com/CXimqdTcv0
— The Philippine Star (@PhilippineStar) September 15, 2015
Mpianatra avy amin'ny St Scho-Manila manao sakana maresaka be ho fanohanana ny #StopLumadKillings.
Tonga taminà firenena hafa ihany koa ny fanentanana #StopLumadKillings. Ireto ambany ireto ny sary maneho ny firaisankina iraisampirenena ho an'ireo Lumad :

Filipino mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i California Berkeley maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Joi Barrios-Leblanc

Filipino mpikatroka mafàna fo ao an-tanànan'i New York maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny Anakbayan USA

Firaisankina avy amin'ireo fianakaviana Palestiniana. Sary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Mark Moreno Pascual

Belza mafàna fo maneho fanohanana ho an'ny vondrom-piarahamonina Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tinay Palabay

Mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nanatrika fihaonambe tany Alemàina maneho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tinay Palabay

Mafàna fo avy ao Holandy maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Marlon Toledo Lacsamana
Victoria Tauli-Corpuz, mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny resaka Zon'ireo vahoaka indizena sy Michel Forst misahana ny momba ireo toe-draharahan'ny mpiaro zon'olombelona, dia niantso ny tafika hampitsahatra ny fibodoany ireo sekoly sasany an'ilay foko :
Tsy azo ekena, tena ratsy ary mifanohitra amin'ny zon'olombelona iraisampirenena sy ny fenitra iraisampirenena amin'ny resaka maha-olombelona ny fibodoana ataon'ny tafika amin'ireo andrim-panjakana sivily sy famonoana sivily, indrindra fa any aminà toerana toy ny sekoly izay tokony ho toerana azo antoka tsy hahitàna ny karazana herisetra tahaka izany ho an'ireo ankizy.
Ho azy ireo indray, nolavin'ny miaramila ny hoe nanao hetsika ivelan'ny tafika ry zareo mba hisotasotàna ireo vondrom-piarahamonina Lumad. Nisisihany ny hoe ny adim-poko no fototry ny herisetra any amin'ny faritra Lumad. Saingy tsy manaiky izany ny governoran'ilay faritany ary niampanga ny miaramila ho nanangana milisy sy nanome fiadiana ho azy ireny. Efa nilaza ny hampanao fanadihadiana momba ilay olana ny Loholona ao Filipina.