
Manaramaso ny lalan'ny rivodoza Koppu tamin'ny fotoana nandonany ny avaratr'i Philippines. Sary avy amin'ny @govph.
Mandona ny avaratr'i Philippines ny Rivodoza Koppu (fantatra ao an-toerana amin'ny anarana hoe Lando), ka nahatratra olona manakaiky ny 300.000 amin'ny faritra enina ao Luzon, nosy lehibe indrindra ao amin'ny firenena, nandritra ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy.
Mitondra orana mavesatra miteraka tondradrano amin'ny faritany maro i Koppu. Ravan'ny orana ihany koa ny voka-pambolena ao amin'ny Lohasahan'i Cagayan Valley, faritra fantatra ho sompitr'i Metro Manila sy ireo tanandehibe hafa ao Luzon.
Notapahin'i Koppy ihany koa ny fifandraisandavitra any amin'ny faritra maro, izay mitarika ny fahataran'ny tatibaovao, noho ny tsy fahafahan'ny nanatri-maso mizara ny sary, ny lahatsary ary ny vaovao hafa avy hatrany, mbamin'ny fampahafantarana hafa momba ny fiantraikan'ny rivodoza any amin'ny tanàna ambanivohitra saro-dalana. Na dia eo aza izany olana izany, dia mbola fomba mahomby ahafahana manara-maso ny tondradrano sy ny ezaka fanampiana ireo tanàna tra-boina ny manjohy ny diezy Twitter #LandoPH.
Ny sasantsasany amin'ireto sary manaraka ireto no mampiseho ny karazam-pahasimbana naterak'i Koppu tao Philippines.
Simba dia simba tokoa i Casiguran ao amin'ny faritanin'i Aurora:
Mga bahay sa Casiguran, Aurora na nawasak dahil kay #LandoPH. | via @Dennis_Datu pic.twitter.com/OVU9LnZPNd
— DZMM TeleRadyo (@DZMMTeleRadyo) October 19, 2015
Trano simba ao Casiguran, Aurora noho ny nataon'i Lando
Pinsala ng bagyong lando sa Casiguran Dist. Hospital pic.twitter.com/soZ9JNE0wW
— Dennis Cabral Datu (@Dennis_Datu) October 19, 2015
Hipitalin'ny distrikan'i Casiguran simban'ny rivodoza Lando
Nandrava tanimbary sy voka-pambolena hafa ihany koa i Koppu. Voina roa sosona ho an'ny tantsaha izao, efa maro tamin'izy ireo no nandalo volana vitsivitsy niaritra haintany lavalava:
Agricultural damage and flooding in #Isabela in the aftermath of #LandoPH pic.twitter.com/MNALTzWB3Z
— Atom Araullo (@atomaraullo) October 19, 2015
Voka-pambolena sy tondra-drano tao Isabella taorian'ny fandalovan'i Lando
Farmers in Santiago Isabela says they will try to salvage what they can from crops damaged by typhoon #LandoPH pic.twitter.com/9gScjOEoEr
— Raffy Tima (@raffytima) October 19, 2015
NIlaza ny mpamboly ao Santiago Isabella fa hiezaka hanavotra izay voka-pambolena noravain'ny rivodoza Lando azo avotana ry zareo
Antonio Flores, mpitarika tantsaha, nandrisika ny governemanta hanampy haingana ireo tantsaha :
To immediately help farmers, a moratorium to the payment of land rent and land amortization in typhoon-affected areas and waiving of irrigation service fees are just and necessary relief at this time of calamity.
The National Food Authority should also be ready to buy farmers’ palay (unhusked rice) irregardless of classification, wet or dry, for them to recover the cost of production. At the same time, we demand government to extend full subsidy to the next production season.
Hanampiana avy hatrany ny mpamboly rariny ny fampitsaharana ny fandoavana hofantany sy fanalefahana ny fandoavana azy any amin'ny faritra tratran'ny rivodoza ary ny fanafoanana ny hofam-pitarihandrano ary ilaina ao anatin'izao voina izao.
Tokony ho vonona hividy ny vary akotrin'ny mpaboly tsy ijerena karazany, lena na maina, ihany koa ny Fahefana Misahana ny Sakafom-Pirenena mba hisahanana ny vola lany tamin'ny famokarana. Mandritra izany fotoana izany dia mangataka amin'ny governemanta izahay mba hanitatra ny fanampiana feno hatramin'ny fotoam-pambolena manaraka.
Safotry ny rano tanteraka i Cagayan, faritany iray any amin'ny faritra avaratra indrindra ao Luzon:
Drone video shows massive flooding in Tuguegarao http://t.co/mmu9LRjYcL #LandoPH pic.twitter.com/5aod1yOkri
— ABS-CBN News Channel (@ANCALERTS) October 19, 2015
Sary avy amin'ny tantelimby mampiseho ny tondradrano manafotra an'i Tuguegarao
Tuguegarao City, Cagayan: Before and during #LandoPH @cnnphilippines #Koppu (Photos by Al Espaldon) pic.twitter.com/XfuJYHXc0S
— Rex Remitio (@RexCNNPH) October 18, 2015
Tanànan'i Tuguegarao, Cagayan: taloha sy nandritra an'i Lando
Nahatratra ny Metro Manila ihany koa i Koppu. Tao an-tanànan'i Marikina City, fiitaran-tanàna ao atsinanana, nafindra toerana ny mponina sasantsasany noho ny fiakaran'ny reniranon'i Marikina.
85 families (390 persons) evacuated at Bulelak Gym in Brgy. Malanday, Marikina due to #LandoPH @cnnphilippines pic.twitter.com/bjRobgWBrT
— Rex Remitio (@RexCNNPH) October 18, 2015
Fianakaviana 85 (olona 390) no nafindra toerana ao amin'ny Kianja Mitafon'i Bulelak ao Brgy. Malanday, Marikina noho i Lando