Nandravarava an'i Dôminika ny tafio-drivotra Erika ny herinandro voalohany tamin'ny Septambra lasa teo, izay namela olona 20 farafahakeliny maty ary maro hafa tsy hita popoka. Faritra maro ao amin'io nosy io no saika tondraka tanteraka ary ambony dia ambony ny isan'ireo fotodrafitrasa lehibe tandindonin-doza. Saingy vetivety dia nifanome tànana ny faritra, miaraka amin'ireo filoha isam-paritra mba handray anjara amin'ireo ezaka famonjena, na ara-bola ary na tamin'ny resaka tarika fanavotana sy fitaovana mikasika ny vonjy voina koa. Nandefa hafatra fankaherezana ofisialy sy fanohanana ny CARICOM ary tonga koa ireo firenena Eoropeana sasany nitondra fanampiana ho an'ny firenena.
Grenada To Provides Relief Supplies To Storm-Stricken #Dominica. #Erika http://t.co/oCE3zIE7zl
— Grenada News (@grenadanews) August 31, 2015
Grenada Mitondra Fanampiana Famatsiana Ara-tsakafo ho an'ireo Tratry ny Tafio-drivotra#Dominica. #Erika http://t.co/oCE3zIE7zl
#Dominica #Erika — France has made a helicopter available to the local authorities in order to provide medications, water, and food
— France Diplomacy (@francediplo_EN) August 31, 2015
#Dominica #Erika — Nandefa angidimby i Frantsa ho azon'ireo tomponandraikitra iasàna mba hizaràna ireo fanafody, rano ary sakafo
British ship rerouted to assist humanitarian relief efforts in #Dominica following tropical storm #Erika… http://t.co/sWhjTDXRu2
— News Hour (@newshourbd) August 31, 2015
Sambo Britanika navily làlana mba hitondra fanohanana ireo ezaka famonjena noho ny maha-olona tao #Dôminika taorian'ny tafio-drivotra #Erika… http://t.co/sWhjTDXRu2
Faly ireo mpisera amin'ny aterineto mahita fa betsaka ireo firenena no manome fanampiana:
@DFID_Press @UNDPBarbados: Good to see quick response to the plight of #Dominica and its people #RFALymeBay #Erika http://t.co/zYlL1mOgOi
— Deborah Atwell (@DeborahAtwell) August 31, 2015
@DFID_Press @UNDPBarbados:Tsara ny mahita valiny haingana amin'ny fahorian'i #Dôminika sy ireo mponina ao aminy #RFALymeBay #Erika http://t.co/zYlL1mOgOi
Bilaogera iray manoratra ao amin'ny Dominica Weekly, nampitamberina ny zavatra niainana tamin'ilay tafio-drivotra.
Tsy nisy rano, tsy nisy jiro sy aterineto. Misaotra an'Andriamanitra fa finday tranainy Nokia misy onjam-peo no nahafahanay nihaino onjam-peo handrenesana ny vaovao: Tafio-drivotra Tropikaly tao Dôminika. Avy eny antampon-tendrombohitray, tsy [toy ny] mampahatahotra: oram-be, kotroka, haizina kely, tsy misy rivotra. Tsy misy zavatra manokana. Saingy hita eny rehetra eny ny fatin'ireo mponin'ny nosy. Ireo fihotsahan'ny tany. Ireo renirano tondraka, mitondra izay rehetra sendra lalovany. Firodànan'ireo tetezana, ireo trano lasa vovoka, ireo fefy vato lasan'ny rano. Olona manodidina ny 35 no maty.
Ny ampitson'io, nisidina mba haka ireo mponina avy eny amin'ireo faritra mitoka-monina ireo angidimby
Mandraka androany, [mifanampy] ny olona mba hanadio ireo trano, làlana ary sekoly. Tonga miaraka ny rehetra.
Nanomboka teo no napetraky ny governemanta Dominikana ny Tahirimbola ho an'ny Fanarenana sy ny Fanamboarana mba hanampiana ny fanavotana goavana sy ireo ezaka fananganana, sady nisy ireo antso vonjy maro nitadiavana ny fanohanana tao amin'ny media sosialy, indrindra tao amin'ny Twitter, izay nanehoan'ireo mpampiasa ny fanantenana fa hisarika ny sain'izao tontolo izao ny toedraharaha:
#Pray for #Dominica donate RT & make it trend worldwide http://t.co/f7q3xIb54d #Relief #Fund #Tropical #Storm #Erika pic.twitter.com/limIB4D70g
— Michelle (@Indie__MusicFan) August 31, 2015
#Mivavaha ho an'ny fanampiana RT an'i #Dôminika & ankalazao maneran-tany http://t.co/f7q3xIb54d #Relief #Fund #Tropical #Storm #Erika pic.twitter.com/limIB4D70g
Iray amin'ireo toerana tena voa mafy, Petit Savanne, nanomboka ny tahirimbolany manoakana ho fiatrehana ny loza. Nanampy fisarihan-tsaina mikasika ity vondrom-piarahamonina ity ny bilaogin'ny faritra Repeating Islands:
Zara raha namoaka lahatsoratra misy antso fangatahana fanampiana izahay, saingy mandefa ity iray ity aho taorian'ny nahitako ireo saripika sy sarimihetsika momba ny faharavàn'i Petite Savanne, Dôminika, vokatr'i Erika.
Ny mponin'i Petite Savanne – izay maro amin'ireo na miasa tao amin'ny Toeram-pialantsasatra Jungle Bay, na mamatsy ilay toerana fialamboly amin'ny vokatra avy ao an-toerana: voankazo, anana, ireo menaka natoraly, ary toaka izay atao ho toy ny orinasan'ny vondrom-piarahamonina – no tena anisan'ny olona fantatro fa malàla-tànana sy tia miantra. Nokilasiako ho isan'ny namana sarobidy ny maro tamin'izy ireo.
Maha-vaky fo ireo sary mikasika ny faharavàn'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo.
Miangavy, ampio raha afaka ianao, toy ny vola, na dia kely aza, afaka hitondra fanamaivanana goavana ho an'ilay vondrom-piarahamonina.
Nanomboka teo dia nandao an'i Petit Savanne ireo mpiasam-panjakana, izay olona manakaiky ny 13 no tsy hita sy atahorana hoe maty. Misy ihany koa azo isaina amin'ny rantsan-tànana ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra hafa izay voalaza fa “faritra traboina manokana”.
Tao amin'ny Facebook, nandefa tsy tapaka ny fanavaozam-baovao mikasika ny tranga taorian'ilay tafio-drivotra tany amin'ireo toerana samihafa tao amin'ny nosy, ny Dominica News Online, nampifandrohy ny saripika avy amin'ny mpampiasa aterineto sy lahatsary tamin'ny fandravaravana navelan'ny fandalovan'i Erika. Mpikambana iray avy amin'ny Dominikana any ampielezana, Peter Azille, nandefa izao hafatra manaraka izao ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy tao amin'ny tambajotra Domenica News Online:
Rehefa nitery tamin'ny fahitalavitra, media sosialy aho, dia sary ampolony maro avy amin'ny WhattsApp [sic] no hita ary heno tamin'ny onjam-peo DBS, nampihetsi-po ny nahita sy nandre ny famoizana ireo olona tsy manan-tsiny maty sy ireo faharavàna tanteraka nanjo ny trano, fiara ary tranom-panjakana teto amin'ny firenena maminay […].
Raha miaraka amin'ireo Dominikana hafa tia tanindrazana sy ireo namana aho […] hanetsika ireo fanampiana rehetra halefa ho an'ireo vahoaka Dominikana, nampahatsiahivina ahy ny faharesen-dahatro izay tànako ho sarobidy, hoe Dôminika iray no ananantsika; fa olona iray ihany isika eo anatrehan'ny Tompo sady mpiandry ireo rahalahintsika. Tsy maintsy takon'ny fitiavantsika, ny fanajàna ary ny fifampikarakaràntsika tsirairay mandrakariva ny fihetseham-po hafa. Tsy nanavakavaka ny tafio-drivotra Erika, natefany tamin'ny isam-pianakaviana Dominikana ny hatezerany. Mila mahazo antoka isika hoe tsy hisy fanavakavahana eo amin'ny fizaràna fanampiana sy ny fanapariahana ireo fitaovana atolotr'ireo tomponandraikitra isam-paritra sy ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ary avy amin'ireo olona sy ireo namana Dominikana any ampielezana.
Ho andraikitra zaraina amin'ireo vahoaka Dominikana ao an-tanindrazana sy avy any ivelany ny fananganana indray an'i Dôminika .
Mandritra izay fotoana izay, nezahan'ireo manampahefana ny hamerina haingana ilay fiantsonam-piaramanidina lehibe ao amin'ny firenena sady nampiasa izany indray, ary ny Minisitry ny Fahasalamana nikatsaka ireo fomba hitsaboana ny mponina mila fanasitranana manokana, tahaka ireo marary mila fanolo rà sy tratry ny diabeta.