
Moanina Kambodziana nifamory teo amin'ny tanànan'i Battambang mba hangataka ny hiarovana ny alan'i Prey Lang.
Nanomboka ny volana Jolay 2015 no efa nanao hetsika teny an-dàlana ireo moanina ao Kambodza mba hangataka hetsika mafimafy kokoa amin'ny governemanta hanoherana ny fihazakazahan'ny fandripahana ny alan'i Prey Lang, ilay ala maina maintso lehibe indrindra any Cambodia sy ny Saikinosy Indoshina.
Manana ala mirefy 3.600 kilometatra toradroa i Prey Lang, tafiditra amin'izany ireo hazo lafo vidy lehibe, izay itoeranà farafahakeliny karazan-javamaniry 20 sy karazam-biby 27, samy atahorana ho lany tamingana. Maherin'ny olona miisa 700.000 no mivelona ao amin'ny 10 kilometatra amin'ilay ala. An'i Kuys ny ankamaroan'ireo mpihavy, vondrona teratany kely izay niaro ny Prey Lang efa an-jato taonany maro.
Tato anatin'ireo taona faramparany, nanome tany midadasika ho an'ireo orinasa teo an-toerana sy avy any ivelanyny governemantan'i Kambodza mba hampandrosoana ny fambolena sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany afaka ataon'ny firenena. Kanefa, maro amin'ireo tany nifanarahana no misy ireo toerana arovana sahala amin'i Prey Lang. Nahatonga fifandirana isankarazany tamin'ny resaka lalàna sy fifandonana mahery setra manerana ny firenena ihany koa ny tsy fahampian'ny mangarahara manodidina ilay fanomezana tany.
Ny taona 2011, nanao hetsi-panoherana ‘Avatar ireo Kambodziana mpikatroka mafàna fo sy ireo vondron-tanàna teratany, mba hitorohana ny fanimbàna ny Prey Lang. Niakanjo sahala amin'ireo olona Na'vi avy amin'ilay horonantsary Avatar an'ny Hollywood, nanainga ny governemanta ireo mpanao hesti-panoherana mba hanajanona ireo fanapahana hazo sy fambolena ” caoutchouc” any Prey Lang.
Mbola mitohy mandrak'androany ny hetsika hiarovana ny Prey Lang raha tsy misy fitsaharana ny fanapahana ny ala ao amin'ilay toerana. Nandritra ny fotoana mitovy amin'izany, vao maika nihombo koa ny olan'ny fandripahana ny ala ao Kambodza rehefa nanao fanomezana tany hafa indray ny governemanta.
“#Cambodia Sees World’s Fastest Acceleration of Forest Loss” https://t.co/XF9k9HEKIP via .@CambodiaDaily pic.twitter.com/eStmD2Bdqb
— Tweet Cambodia (@tweetcambodia) September 16, 2015
“#Kambodia no miaina ny Fandripahana Ala Mihazakazaka Indrindra Maneran-tany”
Ny volana Jolay lasa teo, ireo moanina avy amin'ny Tambajotranà Moanina Tsy Miankina ho an'ny Rariny ara-tSosialy, nanatitra an-tànana ireo fitaovana fanapahana hazo nogiazana teny amin'ny tompony, ho an'ny Sampan-draharahan'ny Ala sy Antenimieram-Pirenena tany Phnom Penh, renivohitry ny firenena, mba hanamarinana fa mitohy hatrany ny fanimbàna ny alan'i Prey Lang.
Monks sent petition to Cambodia Forestry Administration about Prey Lang. pic.twitter.com/YNT1Hpbiez
— channy chheng (@channychheng) July 7, 2015
Nandefa fanangonan-tsonia tany amin'ny Sampan-draharahan'ny Ala an'i Kambodza momba ny Prey Lang ireo moanina.
Nanazava Andriamatoa Hajaina Buntenh, lehiben'ilay vondrona, hoe maninona no nanapa-kevitra ny hanao hetsi-panoherana ireo moanina:
Tsy afaka ny hangina ireo moanina amin'ilay olana anefa hita izao ny taha mampiahiahy amin'ny fandripahana ny ala.
Ireo tompon'andraikitra amin'ny Sampan-draharahan'ny Ala ireo no ‘tompon'andraikitra dolara’, satria izy ireo tsy miraharaha ny ala na i Prey Lang ary mamela ireo mpivarotra ratsy hanohy isan'andro ny fanimbàna ny ala.

Nanome taratasim-panoherana ho an'ny governemanta tany Phnom Penh, renivohitry ny firenena, ireo moanina Kambodziana. Sary avy tamin'ny pejy Facebook-ny ‘Prey Lang – It's Our Forest Too’
Nandritra ny herinandro faran'ny Septambra, nifamory teny amin'ireo làlan'i Battambang indray ireo moanina mba hampahatsiahy ireo vahoaka sy ny tompon'andrakitra ao amin'ny governemanta fa manohy manimba ny alan'ny firenena ireo orinasa mpandraharaha amin'ny resaka fambolena.