Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia

Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4 marsa 2013. Indro i Robin Tennant-Wood namehy izany tao amin'ny bilaogy The Conversation :

After the introduction of the Northern Territory’s CDL scheme last year, multinational beverage giant, Coca-Cola Amatil (CCA), announced that it would mount a legal challenge against the scheme.

… In the wake of the court decision, industrial sabotage activist group, Out Of Order, responded by putting “Out of Order” signs on CCA vending machines in all capital cities.

Taorian'ny fampidirana ny volavolan-dalàna momba ny famonosan'entambarotra tao amin'ny Sisintany Avaratra tamin'ny herintaona, dia nanambara ny Orinasa Goaibe iraisampirenena Coca Cola Amatil (CCA) fa hitory eny anivon'ny Fitsarana hanoherana ny volavolan-dalàna.

Teo am-pihainoana ny didim-pitsarana, nisy vondrona mpikatroka mpanimba orinasa, Out Of Order, namaly tamin'ny alalan'ny fametrahana marika “Out of Order” [Simba] tamin'ny mili-talantalana CCA rehetra teny amin'ny renivohi-parintany rehetra.

Out of Order Notice

Simba voasoratra amin'ny Sisim-Bolamena [Gold Coast]  – Sary: pejy Facebook Out of Order [Simba]

Milaza ny toerana misy azy ho Hobart Tasmania, any amin'ny tena lavitra indrindra ao amin'ny Firenena ny kaonty   Facebook sy Twitter Out of Order. Milaza ny ao amin'ny Pejy Facebook misy an-dry zareo fa manana fanentanana roa hafa ry zareo, ka tononiny fa ny hafa dia ho fanoherana ny Banky ANZ sy HSBC noho ny fampiasam-bola ataon-dry zareo amin'ny arintany sy entona fandrehitra .

Nahangona sonia mihoatra ny 110.000 ny tao amin'ny Sum of Us:

Stop fighting container deposit programs and drop your lawsuit against Australia's Northern Territory.

Ajanòny ny ady amin'ny programam-pamonosan'entana ary atsaharo ny fitoriana ny Sisintany Avaratr'i Aostralia.

Mitovitovy amin'ny isan'ny olona ampy taona any NT indrindra izany.

Vonona ny hampidera ny  fanaon-dry zareo izay miteraka ady hevitra amin'ny maha-ara-dalàna azy sy mampitaha azy ireo ho tahaka ny mpikatroka an-tserasera Anonymous ry zareo ao amin'ny Out of Order :

‏@itsoutoforder: But then again, maybe #outoforder are #anonymous , industrial sabotage activists… maybe we should ask #popefrancis

Kanefa [averina] indray, mety ho #anonymous ny #outoforder, mpikatroka manimba indostria… angamba tokony hanontany ny #papafransoà isika

Tsy mazava loatra hoe ahoana ny fomba hanampian'ny Pontifa. Tahaka ny Fiketrahana Masina, nahazo Filoha Tale Jeneraly ihany koa ny Coca-Cola Amatil ao Aostralia.

Take 3, fandraisana an-tanana ataon'olo-tsotra ho fanadiovana ny torapasika namoaka ity petapeta-tsary maromaro ity tao amin'ny Facebook:

Out of Order Collage

Petapetaka Out of Order – Sary: pejy facebook Take 3

Misy ihany koa vondrona mifanahatahaka aminy antsoina hoe Container Savers izay manana  fampihatra manokana ho azy ireo aza ho fakana sary fakom-ponosan'entana:

Container refunds are the most effective mechanism for increasing recycling and reducing litter. The beverage industry opposes container refunds – let‘s show them where their trash ends up.

When you see drink container litter on the street, in a park, on the beach – or anywhere it shouldn‘t be – take a photo and upload it to the CS map.

Ny famerenana ny fonosan'entana no fomba mahomby indrindra hanamoràna ny fanodinana sy ny hampihenana fanarinariam-poana. Manohitra ny fepetram-pamerenan'entana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro – Andao aseho azy ireo hoe aiza no iafaran'ny fakon-dry zareo.

Rehefa mahita fakom-pamonosan'entana eny an-dalana, eny amin'ny zaridaina, eny amoron-dranomasina – na any amin'ny toerana tsy tokony hisy azy – ianao, alaivo sary dia akaro ao amin'ny sarintany CS [Container Savers]

Noho ny antony maro samihafa dia nahantona ny tranonkalan-dry zareo saingy miasa soa aman-tsara kosa ny pejy Facebook sy ny kaonty Twitter. Sationan'ny asan-dry zareo:

Container Litter

Tavoahangy sy kapoaka – Saripika: Pejy facebook Container Savers

Angamba fihetsika an-tsariohatra [saimbolika] ihany ny hetsiky Out of Order fa tsy misy fiantraikany loatra ara-bola. Navoitran'i Karen Marshall tao amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Rakitsary haika Out of Order :

I checked the share prices yesterday and was alarmed to see they are not going through the floor but have risen since the beginning of this.

Nohamariniko ny tsenam-bola omaly ary ranga nahita fa tsy nitsontsorika ny an-dry zareo fa mbola niakatra aza hatramin'ny nanombohan'ity raharaha ity

  

Nigel Arnold namaly ary nitodika tany amin'ireo olon-tsotra iharan'ny raharaha:

I think this is a little unfair to the middle man. Most vending machines are privately owned.

Mieritreritra aho fa tsy rariny izao ho an'ireo olona antenantenany. An'olo-tsotra ny ankamaroan'ireo milina talatalam-pivarotana ireo

Nisioka ilay mpanao tantara an-tsary nahazo loka First Dog on the Moon na ilay antsoina ihany koa hoe Mr Onthemoon:

‏@firstdogonmoon: IS THAT LEGAL?!!? RT @itsoutoforder: Just heard about someone switching off twelve #coke machines as part of #OutOfOrder Coke Challenge.

ARA-DALÀNA VE ?!!? RT @itsoutoforder: Vao nahare fa nisy olona nanapika ho faty mili-pivarotana 12 #coke ho fihaikana ny Coca-Cola #OutofOrder

Nipoitra tao amin'ny Crikey.com.au ihany koa ny tantara an-tsariny tamin'ny 5 Marsa:

Unregulated markets will kill us all!

‘Hahafaty antsika rehetra ny tsena tsy misy fitsipika!’ Nahazoana alalana avy amin'i  First Dog on the Moon/Crikey

Nanao fanentanana ihany koa ny Greenpeace Australia Pacific ary nanango-tsonia ihany koa:

@GreenpeaceAustP: .@CocaCola smashes popular 10 cent recycling scheme in NT. Tell the govt this is unacceptable http://bit.ly/stoptrashingaus_tw#cokefail

Potehin'ny @CocaCola ny tetikasam-panodinana malaza 10 cent any amin'ny Sisintany Avaratra. Ilazao ny governemanta fa tsy azo ekena izany.

Mandritra izany fotoana izany ny governemanta NT no niditra tamin'ny dingam-panohanana ny fampiharana ny fanariana fonosan'entambarotra mandra-piheveran'ny governemanta Aostraliana [maro] manangana ny lalàna manorina ny fametrapetrahana azy. Faly aoka izany ny fikambanana Clean Up Australia [Diovy i Aostralia], mpanomana ny Androm-panadiovana an'i Aostralia:

@Clean_Up : Congrats to the NT government for underwriting the cash for containers scheme for the next 8 weeks and pay everyone their 10cents! #cokefail

Arahabaina ny governemanta NT tamin'ny fiantohana ny fampiharana ny fandoavam-bola momba ny fonosan'entana ao anatin'ny herinandro 8 sy ny handoavan'ny rehetra ny 10cents-ny avy! #cokefail

Nisaotra ireo nitsikera azy ny Coca Cola Australia ary namaly tao amin'ny pejy Facebook-ny. Izao ny fanambarany tamin'ny 6 Marsa: 

…a continuation of our commitment to recycling, a $5 million investment with our industry partners, for the Northern Territory to boost recycling rates and reduce litter.
For all the details – http://bit.ly/13FJWr0

…fanohizana ny adidintsika ho amin'ny fanodinana indray, fampiasam-bola $5 tapitrisa dolara miaraka amin'ny orinasa mpiara-miasa amintsika, ho an'ny Sisintany Avaratra entina hampiroboroboana ny tahan'ny fanodinana sy hampihenana ny famokarana tavoahangy na kapoaka.
Raha hijery ny antsipirihany rehetra – http://bit.ly/13FJWr0

Heverina fa afa-misolo tena ny fanehoan-kevitra miiba avy amin'ny fanehoan-kevitra mihoatra ny 600 ny fijerin'i Nigel Mitchell:

So, if the COAG [Council of Australian Governments] meeting decides to support national implementation of a CDS, will Coke support this, or will they continue with their anti-environment and anti-democratic policies?

Izany hoe, raha manapa-kevitra ny hanohana amin'ny fametrahana CDS manerana ny firenena ny fivorian'ny COAG [Filankevitry ny governemanta Aostraliana], hanohana izany ve ny Coke, sa mbola hanohy ny politika mamely ny tontolo iainana sy tsy manaja ny demokrasia?

Ny marina, tsy nisy ny fanehoan-kevitra tsy miandany na mpanohana tao amin'ny fanehoan-kevitra zato voalohany na mihoatra. Inona no eritreretin'ny maro an'isa? Fantatsika fa misotro ry zareo – Ny pejy facebook-ny Coke Aostralia dia manana mpitia mihoatra ny 936.000.

Nandany ny lalànan'ny fanariana fonon'entambarotra ny Fanjakana Aostralia Atsimo tamin'ny 1975 ary nametraka ny fepetra momba izany hatramin'ny 1977.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.