Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe ‘tsy nisy tomika’, takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny ho fiantraikan'ilay fanavotana, sy ireo tombontsoa mety ho tao ambadik'izy iny.

Taterin'ilay bilaogera Victor Solano ao anaty lahatsoratra iray amin'ny teny frantsay hita tao amin'ny Radio Suisse Romande ary iray hafa amin'ny teny espaniola tao amin'ny elpais.com ao Espaina ny filazana hoe nanome 20 tapitrisa dolara ho an'ny FARC i Etazonia ho fanavotana ireo takalonaina niisa 15.

Ao amin'ny tranonkala fanoratana bilaogy madinika Twitter, Jerome Sutter [es] manosoka hevitra hoe io fifanakalozana ara-toekarena io no nety ho anton'ireo fihetsika ofisialy vitsivitsy nataon'i Sarkozy.

Mbola avy ao amin'ny Twitter ihany, Gerente [es] mitanisa mpanolotra fandaharana iray malaza ao amin'ny fampielezampeo, Julito, avy ao amin'ilay fandaharan'ny “W radio”, izay nitatitra hoe nolazain'ilay kolombiana mpanoratra mpiady hevitra, Fernando Vallejo, fa “fihetsiketsehana mahatsiravina sy fanodinkodinana saimbahoaka ilay fanavotana takalonaina.”… toa ny tena nolazain'i Vallejo marina [es] dia hoe i Ingrid Betancourt izy tenany mihitsy ireny zavatra ireny, ary ny fomba nifantohan'ny fampahalalambaovao taminy fotsiny fa tsy tamin'ireo takalonaina anjatony dia efa manafintohina.

Marsares avy amin'ny  equinoXio [es], gazetiboky ety anaty aterineto, manoratra hoe diso tonga lafatra loatra ilay hetsika ka mahatonga ny vahoaka hisalasala momba azy iny ankehitriny. Tsy iraisany hevitra ity fomba fijery ity ka tohizany ny mametraka tohankevitra ho tsindrinentana amin'ny kiana nataon-dry zareo. Kanefa, manome fahafahana ihany izy, amin'ny fanekeny ny zavamisy hoe ny paikady “Trojan horse” [en] no nampiasaina, tamin'ny mody nilazàna fa hetsika noho ny amin'ny maha-olona ilay izy ary mety ho sarotra kokoa ho an'ireo takalonaina hafa ny hahazo karazana fanampiana noho ny maha-olona amin'ny hoavy, na inona na inona ho endriny.

Anastasia Moloney, mpanao gazety sady bilaogera, manoratra hoe ny sasany amin'ireo fianakaviana dia matahotra ny ho valifaty atao amin'ireo talakonaina sisa tavela, ny famonoana azy ireo na ny fanohintohinana ny fianakavian-dry zareo, sy ny hoe amin'izao fotoana naha-avotra an'i Ingrid niaraka taminà teratany Amerikàna Tavaratra niisa telo izao, hanjavona ny tsindry iraisampirenena ho fanavotana ireo takalonaina sisa tavela.

Íngrid Betancourt  Photo outside Hôtel de Ville

Sary an'i Redking

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.