Maraoka: Navotsotra Vonjimaika i Mohammed Erraji

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Androany, nifaly ireo Maraokana noho ny vaovao fa navotsotra vonjimaika i Mohammed Erraji, bilaogera nosamborina sy nogadraina avy hatrany. Saingy vetivety ihany ny fifaliana, satria niresaka momba ny rafitra mikorotana mikasika izany sy ny fotoam-pitsarana manaraka an'i Erraji ny bilaogera.

A Moroccan About the World Around Him nanazava ny fomba nanafahana an'i Erraji sy ny nandavan'ny rafi-pitsarana ny fiovana:

Why such an underhanded intervention? considering the international response to the convulsive judgment Erraji was victim of, the stealthy intervention seeks to depict the Moroccan justice as a functional system, the Moroccan governance as democratic and stable; these characteristics are a catnip to foreign investors. Domestically, such an intervention will avert a greater erosion of confidence in the justice system.

But why did such a travesty happen in the first place? Are the officials who orchestrated it so blatantly incompetent? They are not. Is the judge who sent Erraji to rot in jail so ignorant of judicial procedures? He is not. They are simply following a deeply ingrained political and social tradition in Morocco: ingratiating themselves with the Palace hoping for a “GRIMA.”

Inona no anton'ny fitsabahana mangingina? Raha jerena ny valinteny iraisam-pirenena mikasika ny fitsarana mifanintotsintona izay nihatra tamin'i Erraji, mikasa hanasokajy ny fitsarana Maraokana ho toy ny rafitra mandeha tsara, sy ny governemanta Maraokana ho toy ny demaokratika sy miorina tsara; ahitra fanintonana (catnip) ireo mpampiasa vola vahiny ireo toetra ireo. Ahafahana misoroka ny fahasimban'ny fitokisana ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena ny fitsahabana tahaka izany.

Fa maninona no nitranga voalohany ny fiovana tahaka izao? Tsy mahay loatra ve ireo manampahefana nanamboamboatra azy io? Tsy izany. Ny mpitsara nandefa an'i Erraji tany am-ponja ve no tsy mahafantatra loatra ny dingana ara-pitsarana? Tsy izy. Manaraka ny fomban-drazana ara-politika sy ara-tsosialy raiki-tapisaka ao Maraoka fotsiny izy ireo: manao ny mety ao amin'ny Lapa, manantena hahazo “GRIMA”.

Manazava ny tantara i Myrtus , saingy tsy miraharaha fa tsy maintsy tsaraina i Erraji:

Agadir's Court of Appeals has decided today to grant freedom to blogger Mohamed Erraji, who was sentenced to two years in prison just a few days ago. The court based its decision on the fact that the prosecution did not comply with certain provisions with regards to the press code.

However, Mohammed Erraji is not completely out of the woods yet. He's scheduled to appear in court again on September 16th.

Nanapa-kevitra ny Fitsarana Ambony ao Agadir fa hanome fahafahana ho an'ilay bilaogera, Mohamed Erraji, izay voasazy higadra roa taona an-tranomaizina andro vitsy lasa izay. Nifototra tamin'ny zava-misy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana fa tsy nanaja ireo fehezan-dalàna sasany momba ny gazety ny fiampangana.

Na izany aza, mbola tsy tafavoaka ny ala i Mohammed Erraji. Fantatra fa hiakatra fitsarana izy amin'ny 16 Septambra.

Bilaogera Ibn Kafka manazava ny lalàna manodidina ny raharaha Erraji amin'ity lahatsoratra ity [fr] ary nitaky fitokonana bilaogy tamin'ny Alatsinainy ho fanohanana an'i Erraji. Ahitana dikanteny amin'ny teny Anglisy ny lahatsoratra bilaogiko manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.