Nirongatra ny hanohana ny mpihira Teddy Afro izay kalaza indrindra any aminy ireo mpiblaogy Ethiopiana, taorian'ny nampiakarana azy fampanoavana nohon'ny fahafatesan'ny zatovo iray izay voadonan'ny fiarakodia izay nandositra tany an-drenivohitra Addis-Abeba.
Ny ankamaroan'ireo mpiblaogy dia mihevitra fa nararaotin'ny fitondrana hiampangana an'i Afro fotsiny izany, nohon'ny fankahalany ny halehiben'ny lazany sy ireo tononkirany izay mitsikera ambadika ny fitondrana.
Tamin'ny volana Novambra 2006 no nanontanian'ny Pôlisy voalohany i Afro, taorian'ny fahafatesan'ny 4-mi iray 18 taona izay nodonin'ny fiarakodia tany afovoan'ny tanànan'i Addis-Abeba. Nisy mpitandro ny filaminana izay nanatintrantitra fa tsikaritry ny mpamily fiarakaretsaka [taxi] iray tany an-toeran ny fiara BMW-n'i Afro.
Nanaitra ireo mpankafy azy tokoa ny fisamborana an'i Afro tamin'ny herinandro lasa, saika roa taona taorian'ny nitrangan'ny voina. Ny ankamaroan'ireo fantsna fampahalalam-baovao vaventy any an-toerana (toy ny BBC sy ny Addis Fortune) dia nitatitra ny hetsika nataon'ireo mpanakfy mpomba azy teo ivelan'ny lapan'ny fitsarana izay nandraisan'ny mpitsara fanapahan-kevitra ny hanemorana ny famoahana izay didim-pitsarana mikasika ny lamandy tokony ho takalon'ny famoahana azy tam-ponja.
Teddy Afro, izay anaram-bosotry Tewodros Kassahun, dia tena malaza tokoa amin'ny Ethiopiana na any an-toerana na amin'ireo zanaka ampielezana. Ny sangankirany mitondra ny lohateny hoe Yasteseryal (jereo ato amin'ny vohikalany teddyafro.com) izay heverin'ny sasany ho tsikera antokon'olona eo amin'ny fitondrana ankehitriny isan'izany ny Praiministra Meles Zenawi, dia noraràna tsy halefa amin'ny radiom-pirenena.
Merkato no manapariaka ao amin'ny blaogy Ethiopia – “Ny Kianjan'ny Firasiankinako” hoan'i Teddy Afro – Maherifo Ethiopiana iray sady Nogadraina nohon'ny ny [fanapariahany] ireo heviny :
This advocate of justice for our people; this voice for the voiceless; this champion of the oppressed; this ultimate entertainer could have lived in luxury abroad and enjoyed life as most of us do, but knowing the risk to his own life, he returned home to continue the mission he has set for himself! Today he sits in the notorious Kaliti Prison, precisely because of what he does for his down-trodden compatriots! The humiliation he has suffered so far and will continue to suffer hence will be the most poignant symbol of our peoples’ suffering for the last two decades!
Debteraw Blog kosa dia mitanisa ny anaran'i Afro ao anatin'ny lisitr'ireo “gadra politika” ao amin'ny lahatsorany “Tensae Le-Ethiopia.”
Toy izao no nosoratan'i Addis Tibeb ao amin'ny lahatsoratra “naiditra am-ponja i Teddy Afro” :
Many fans believe that Teddy is set up for the charge by the government that is supposed to resent Teddy’s public acceptance in his political reprimands by some of his songs
Arefe kosa nitsahatra tsy hanolotra intsony izay heviny ao amin'ny Addis Journal mikasika ity raharaha ity, saingy mitatitra izay hetsika hitany tao ivelan'ny lapan'ny fitsarana tao amin'ny lahatsoratra “Ahemotra ny datim-pitsarana an'i Teddy” :
hundreds of cheering and chanting fans had greeted Teddy's arrival. Wearing a T-shirt and sunglasses, Teddy waved as he slowly made his way into the courthouse. As he left the court, the ‘free him’ shout became more intense and police surrounded and arrested some of them. A journalist for Hamrawai magazine and another newspaper reporter were among the arrested. It's unclear why police arrested them. It was said they are all detained in the police station in front of the court…
Teddy's arrest weeks ago has generated much interest and anxiety in the city and his songs have enjoyed sudden popularity in the bars, taxis and public places.
Ny fisamborana an'i Teddy tamin'ny herinandro lasa dia nahasarika ny sain'ny maro sady niteraka fanahiana tao an-tanàna ary dia nitombo tampoka ny lazan'ireo hirany tany amin'ireo Bar, fiarakaretsaka [taxi] sy toerana hafa”
freeteddyafro no namela hafatra ao amin'ny essai izay kianja eto amin'ny Aterineto izay sahanin'ny Fikambanana Iraisam-Pirenen'ny Mpianatra Ethiopiana [Ethiopian Students Association International] :
It is hard to know if Teddy's (imprisonment) is motivated by politics or it is a following judicial process. Teddy is the symbol of Ethiopian new and future generation. He is a bridge for the past, present and future. He is an idol for young generation. Let us bring Teddy to daylight before he disappears forever.
Mbola ao amin'ny esai ihany, Ethiopia dia mihevitra fa tsy manan-keloka i Afro sady manahy koa sao tsy ara-dalàna ny fitsarana izay hatrehiny :
I DONT believe Teddy IS BOTH INHUMAN to leave a dead street kid laying on the ground AND DUMB enough to stay in the country for two years.
Toa feo tokana very anatin'ireo kotaba ireo ny antson'i Samuel Gebru izay miangavy mba tsy handrohizana ara-pôlitika ny raharaha mikasika an'i Afro ao amin'ny lahatsoratra “Ethiopia : Fisamborana an'i Teddy Afro” :
Some Ethiopians abroad have tried to capitalize his imprisonment, pending a bail hearing, as the Government's bid to silence the iconic singer…there's a long way ahead before the verdict, so whatever is said abroad is mere speculation. Nevertheless, the politicization of his arrest is not only false but unhealthy in our developing political climate in Ethiopia.
1 hevitra
Raha oharina amin’i Ethiopia dia asa raha tokony hiravoravo isika satria ny andiam-pampisehoana nokasainy tany Madagasikara ihany ny an’i Rossy no “noraràna” hatramin’izao … enga anie ka tsy harahina fisamborana sy fampidirana am-ponja.