Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny R.D. Kongo

Tapitra ny Ebola any RD Congo fa manomboka ny coronavirus

Miatrika ny tranga COVID-19 voalohany i RD Congo ankehitriny raha nanambara ny fiafaran'ny Ebola. Moa ve hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina coronavirus ny lesona noraisina tamin'ny Ebola ?

Andro Iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA : Miady amin'ny fanavakavahana maneran-tany

Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nivondrona mba hanohana ireo miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tato anaty aterineto, maro ireo nanombatombana ny fivoarana vita sy ny dingana mbola mila hatrehina amin'ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny fiparitahan'ny aretina. Inty misy angon-dahatsoratra, sary ary lahatsary avy amin'ireo miteny sy manoratra amin'ny teny Frantsay.

Feo avy any Zimbaboe sy ireo Farihy Lehibe (Grands Lacs)

Samy nanana ny zavatra nanamarika azy ny tontolon'ny blaogy tao Zimbaboe sy ireo Farihy Lehibe

Akon'i Zimbaboe: Nivadika tsimoramora ho mpanao didijadona ilay nantenaina ho mpanavotra

"Nisandratra i Tsvangirai tsy amin'ny maha-mpamonjy tsara fanahy araka ny nijeren'ny Zimbaboeana azy, fa tahaka ny lasibatra iray hafa tamin'ny areti-mifindra mahatsiravina izay lazaina fa nanakana ny firoboroboana sy ny fivoaran'ny kaontinanta: mpanao didy jadona, tsy refesi-mandidy iray hafa eo am-piofoana.

Feo avy ao Zimbaboe

Manohy ny Kongresim-bahoakany ao Esigodhini, tanàna kely any Matabeleland ny ZANU-PF, ary tsy nahavita nanetsika fanohanana teny ifotony na dia kely aza.

Fitokonana tampoka – Mosary tsy afaka dia handray fifaninanana afrikana no mahamaika

Nanao fihetsiketsehana tampoka tany amin'ireo tanàna lehibe tao Zimbabwe tamin'ny Sabotsy ny firaisan'ny vondrona sivika mpanohitra, ny Antenimieram-pirenen'ny Lalàmpanorenena (NCA amin'ny teny Anglisy). Mitatitra ny This is Zimbabwe, bilaogy nomanin'ny vondrona mpanao fihetsiketsehana Sokwanele / Zvakwana  fa olona 18 no nosamborin'ny polisy mahery setran'i Zimbaboe, izay tsy nampoizina tamin'ny fihetsiketsehana.

African music (#6)

Tsy mbalax ny gadona Soukous, sady tsy afro-funk , tsy rumba, tsy Ethio-jazz, tsy Afrobeat [...] tsy Merseybeat ny Metal

Feo Avy Amin'ny Zimbabwe Plus

Nanao antso avo ny amin'ny tokony hampiatoana ny fampiasana ny aterineto ho fanimbazimbana ny fahalalahan'ireo firenena an-dalam-pandrosoana ny filoha Zimbaboeiana, Robert Mugabe.

RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana

Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana.

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy alakamisy – jona 2005

Satria niteraka tabataba manerantany ny famoretana ataon'ny governemanta ao Zimbaboe antsoina hoe "Operation Restore Order (Hetsika Fametrahana Filaminana)", dia manoritsoritra ny zavatra toy ny "nijery ny endriky ny ratsy" i Sokwanele.