Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2011
Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary
Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.
Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana
Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.
Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary
Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana
Libanona: Tsy niresaka momba ny famoriam-bahoakan-dry Hariri ny Bilaogera
Rehefa nahazo aingam-panahy avy tamin'ny fihetsiketsehana manerana n tontolo Arabo dia nanao famoriam-bahoaka tao Beirota ny praiminisitra teo aloha Saad al-Hariri tamin'ny Alahady teo mba hiantso amin'ny fanesorana fitaovam-piadina ny Hetsika tsitohaina Shi'ita Hezbollah. Ny Hezbollah no antoko politika lehibe indrindra sady vondrona tokana mbola mitazona ny fitaovam-piadiany – no nanala...
Bahrain: Nambara ny tsy fahazoana mivezivezy sy fandevenana manamboninahitra
Alarobia tolakandro, fanambarana fahaefatra nolazain'ny Tafika Bahrain fa hampiharina ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina mandrapisian'ny fanambarana manaraka. Maro ny nanatrika ny fandevenana polisy maty nandritra ny fotoam-piasany.
Frantsa : Fanahiana sy fanantenan'ny vondro-piarahamonina Japoney
Niteraka ahiahy tamin'ny ankamaroan'ny Japoney monina ivelan'ny tanindrazany, na izany eto Frantsa na any an-toeran-kafa, ny mahita sary mampihoronkoditra ny tsunami sy ny vaikany. Nanao izay hifandraisana amin'ny havany noho ny fisian'ny aterineto ry zareo ny tontolo andron'ny zoma 11 marsa
Côte d'Ivoire: Facebook sy Twitter, Mpitondra ny hafatr’ Ifahafatesana
Niharatsy haingana dia haingana [fr]ny toe-draharaha politika any Cote d'Ivoire ifanandrinan'ny mpitarika roa tonta, Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara – samy milaza ho nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny Desambra. Raha hita mbola sahirana mifantoka amina krizy mihoatra ny iray ny haino aman-jery iraisampirenena amin'ity tadio politika any amin'ny faritra Afovoany...
Kamerona: Resaka noho ny fandrarana ny SMS-to-Tweet
Ho tsaroana noho ny lafiny haitao kokoa ny andro manerantany ho an'ny vehivavy 2011 any Kamerona. Nanambara tao amin'ny valan-tserasera i Bouba Kaele, tompon'andraikitra misahana ny dokambarotra ao amin'ny orinasan-tserasera Afrikana Tatsimo miorina any Kamerona MTN fa noraran'ny fitondrana Kameroney ny fampiasain'ny mpanjifan'ny MTN ny fidirana amin'ny twitter amin'ny alalan'ny...
Iran: Polisy vavy misahana ny andron'ny vehivavy erantany
Tamin'ny Talata 8 Marsa 2011 - Andron'ny vehivavy erantany - Nidina an-dalambe hihaika ny rafitra Islamika ao amin'ny fireneny ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana (lahy sy vavy) . Tsikaritry ny mpamaham-bolongana iray ny fisian'ny mpitandro ny filaminana vehivavy.
Libya: Lasa malaza fatratra ny “mihomehy” Zenga Zenga
Niely niampita vetivety tamin'ny aterineto ny kabarin'ilay tsy mifaditrovana Gaddafi"Zenga Zenga" . Miverimberina lasa hira, nahavitana hira isan-karazany ny sombin-kabary nitenenana tamin'ny vahoaka izany nampanantenan'ny "Guide" ny "hanadio an'i Libya isaky ny santimetatra, isan-trano, isan'efitrano, isaky ny arabe (Zenga Zenga)" ary mihamitombo any amin'ny fifampizaran-dahatsary ka mahamiramirana kokoa ny mpanohitra an'i Gaddafi