Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2015
Noraofin'i Japana noho ny Tahotra ISIS ny Pasipaoron'ny Mpakasary Iray Miozona ho any Syria
Nitranga izany taorian'ny famonoana mampihoron-koditra nataon'ny ISIS tamin'ireo teratany japoney roa tamin'ny janoary. Misy ankehitriny ao Japana ny fahatsapana manjavozavo fa misy ny toerana tsy azo ekena handehanana.
Misiaha Amin'ny #Tenindreny ho Fankalazana Ny Fahasamihafam-Piteny Antserasera

Miteny amin'ny fiteny an'arivony maro izao tontolo izao, saingy mety tsy ho fantatrao izany rehefa manaraka amin'ny Twitter. Azonao atao ny manova amin'ny alalan'ny fandefasanao ny sioka amin'ny #tenindreny (tsy asiana tsipi-panohizana) anao amin'ny 21 Febroary.
35 Taty Aoriana, Ankatoavina Ny Asa-Vavolombelon'i Óscar Romero
Nanambara amin'ny fomba ofisialy ilay pretra salvadoriana Monsignor Romero, izay nisy namono tamin'ny 1980 noho ny fidradradradra-panoherana ny polisy i Vatikana.
Resahina amin'ny Mpanao Zaridaina ho Vazy Manaja Tontolo Iainana ny Fakom-Boanio
Ahafahana mitahiry hatramin'ny vazy plastika 100 tapitrisa tsy hiafara any amin'ny daba fanariam-pako ny fampiasana vazim-bolom-boanio izay azo ambolena mivantana ao amin'ny zaridaina.
Avy amin'ny Zaikabe Global Voices 2015, Miakatra sy Misavoana
Feno folo taona tamin'ny volana desambra lasa teo ny Global Voices ka fotoana iray nohararaotina hankalazana izany ihany koa ny Vovonana notontosaina tamin'ny volana janoary lasa teo.
‘Mpaminany Farany’ ao Tajikistan Miatrika Fanagadrana noho ny Fangoronan-Tany sy Fakana Vady Maro
Vady fito, zanaka roapolo ary mpanara-dia am-polony: nilaza ho Irak'Andriamanitra ny Sheikh Temur, saingy lasa aloha noho izay noeritreretiny ny Androm-Pitsarana azy.
Diaben'Olona an'Aliny Mitaky Fiovana Manavatsava ny Lalamben'i Madrid
"Manonofy isika, fa raisintsika matotra tokoa ny nofintsika," Pablo Iglesias, mpitarika ny antoko Podemos izay nikarakara ny "Diaben'ny Fiovana", niverimberina hatrany nandritra ny fihaonana.
Zazavavy Malayziana Norahonana Hogadraina Fa Nifamihana Ampahibemaso Tamin'ny Kintan'ny K-Pop
Fantsona fahitalavitra Malayziana iray namoaka lahatsary YouTube tamin'ny lanonana fihaonana tamin'ny mpankafy ny tarika B1A4 izay tsy misy ifandraisany amin'ny lohateny miampanga ny tarika ho "namiravira zazavavy miozolomana".
Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy
Efa namindra olona manakaiky 200.000 ao Malawi ny tondra-drano, namotika ny vokatra ary nitondra ahiahy amin'ny mety isian'ny aretina. Ao amin'ny faritra mora tratran'ny tondra-drano, mbola mety ho ratsy kokoa ny hoavy.
37 Voafantina Hiady ny Famaranana Amin'ny SIMA 2015
Tafiditra ao amin'ny Tahirin'ny SIMA sy ny andiam-pandaharana Fitsangatsanganana, sehatra iray miasa ho amin'ny fampisehoana lahatsarim-panadihadiana manerantany ireo [sarimihetsika] miady ny famaranana.