Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Avrily, 2018
Midika ho fiverenan'ny voronkely tiana ny lohataona ao Japan
Ho an'ny Japoney maro, andrasana isaky ny lohataona ny fiverenan'ny mpitelina, sy zavatra iainana mampanakarena ny saina.
Niteraka fahatezerana tao Meksika ny namonoana mpianatra telo ho mpanatontosa sarimihetsika
Fahatezerana taorian'ny filazana herisetra sy famonoana nihatra tamin'ny tanora, ary mpianatra mpanatontosa sarimihetsika tamin'ity indray mitoraka ity.
Fa naninona i Shina no nanaisotra an-tserasera ny filma propagandiny? Notondroin'ny mpiserasera ny fanasaziana ara-teknôlôjian'i Etazonia
Miahiahy ny mpiserasera fa noraràna ilay filma noho ny fanasaziana vaovao nataon'i Etazonia tamin'ny ZTE, orinasan-tshinoa miandraikitra ny rindrambaingam-pifandraisandavitra.
Fa maninona no miteraka resabe ny milim-pandrotsaham-bato any RDC?
Mety ho mora ambakaina ireo mpifidy any ambanivohitra mbola tsy zatra ireo teknolojiam-baovao.
Nambaran'ny fitsarana rosiana ny fandraràna ny Telegram, mihantsy, mitsiky… ary manahy ny mpisera
Ary raha manakaiky ny farany ho tonga any amin'ny fanapahan-kevitra hanakana ny fampiasa ny tolona maharitra herintaona ifanaovan'ny Telegram sy ny manampahefana rosiana, nisy fahamaimaizana ary matetika lasa manamaivamaivan-javatra ny setrin'ny filazana.
Inona no novakian'ny mpamakin'ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018?
nandritra ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018, nahatratra mpamaky avy amin'ny firenena 211 ny tantara sy ny fandikanteny tato aminay. laharana faha-95 ao amin'ny lisitra? Azerbaijan. Ary ny laharana faha-154? Niger.
SARIPIKA: Fankalazana Rehefa Nandidy ny Lalànan'ny ‘Fahapelahana’ Ho Tsy Mifanaraka Amin'ny Lalampanorenana Ny Fitsarana Ambony ao Trinite & Tobago
"Any amin'ny farany, na hanova na tsia ny toe-tsain'ny rehetra ny didim-pitsarana, niara-nijoro teo amin'ny Lapan'ny Fitsarana ny mpikatroka LBGT+ sy ny mpikatroka ara-pivavahana..."
Nahavita Dingana Amin'ny Ady Amin'ny Fanavakavaham-Bolonkoditra i Costa Rica Raha Nifidy Vehivavy Mainty Hoditra Ho Filoha Lefitry ny Firenena
“Io no fomba iray hamerenan-kasina ny vondrom-piarahamonina mainty tsy ao Costa Rica ihany fa manerana an'i Amerika Latina mihitsy."
Mitohy ny Famoretana an-Kerisetra ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo
Raha heverina ho mpiara-dalana ara-tantara amin'i Kabila i Paul Kagamé, filohan'i Rwanda, dia mihasarotra ho an'ireo Afrikana mpitondra ny firenena ankehitriny ny fanohanana azy.
Mali : Fifidianana Hamaritra ny Hoavy Amin'ity Taona 2018 ity
Ireny fisarasarahana ireny no tena loza mihantona amin'ny fampiharana ny fifanarahan'i Alger natao tamin'ny taona 2015 ary loza mihantona hoan'ny fandriampahalemana amin'ny ankapobeny.