Andriamifidisoa Zo · Aogositra, 2011

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2011

Madagasikara : Izay tsy hataon'ny vehivavy bevohoka

  22 Aogositra 2011

Amin'ny lahatsoratra mahaliana iray mikasika ny « Fady » amin'ny fiainana nentim-paharazana malagasy no iresadresahan'ilay mpamaham-bolongana malagasy Ariniaina ny « fady » amin'ny vehivavy bevohoka, tahaka ny “Tsy mitondra trondro anaty harona na miloloha...

Libya: Mahatsiaro an'i Mohammed Nabbous

Miely ao amin'ny Twitter ny fahatsiarovana an'i Mohammed Nabbous, mpanorina ny televiziona Libyana AlHurra TV. Maty nandritra ny fifampitifirana nalainy sary tamin'ny 19 Marsa i Nabbous. Araka ny nolazain'ny mpankasitraka azy moa dia mankalaza ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny fanahin'i Nabbous.

Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.

Ejipta: Ny enti-milaza “mi-mubarak”

Tsikaritry ny faribolana Ejipsiana an-tserasera fa misy itovitovizana ny zavanitranga tany Le Caire sy ny faritry ny Helodrano (Bay Area) rehefa nopihan'ny fitaterana any San Francisco ny fitaovana fampiseraserana amin'ny alalan'ny finday ho aroriaka amina fihetsiketseham-panoherana iray.