Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2011
Venezoela: Mitombo ny tranga-na gripa AH1N1
Mandia fotoan-tsarotra hafa indray ny Venezoelana amin'izao fotoana izao; tonga ny gripa AH1N1, araka ny voalazan'ny minisitry ny fahasalamana avy amin'ny fitondrana revolisionera hita ao amin'ny pejy ofisialy dia niainga avy tany amin'ny faritanin'i Mérida tany amin'ny tapaky ny volana marsa tany ho any ity valan'aretina ity. Misy kosa anefa ny filazana...
Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona
Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana ary Angola. Mandritra ny fifaninanam-pirenena moa dia mahazatra ny mahita ny olona mifantoka lalina eo anoloan'ny vata fahitalavitra, vonona miaraka amin'ny...
Qatar: Rahona artifisialy mitatao ny Kianja
Nanosika ilay firenena kely saingy manankarena halaza indray ny fisian'ny tetikasa iray hamoronana fitaovana mamorona rahona vitan'olombelona azo baikoan-davitra, mandeha amin'ny herin'ny masoandro entina hampangatsiatsiaka ny eny an-kianja. Efa herinandro izay ny gazety The Peninsula no nanoratra azy ity an-tselika misy tsanganana telo mitantara ny fikarohana ataon'ny ao amin'ny Anjerimanontolon'i...
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary momba an'i Syria.” Araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao Syriana (SANA) dia nampangaina ho mandray “imailaka...
Madagasikara: resaka taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao
Ny mpamaham-bolongana Thierry Andriamirado no nanome ny lisitr'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta fao najoro indray eto Madagasikara [fr] araka izay nanononana azy tao amin'ny radiom-pirenena. Ny mpamaham-bolongana politika Ndimby kosa nanome ny famelabelarana momba ny firafitr'ity lazaina ho governemantan'ny fampiraisam-pirenena ity sy ny mety hisian'ny faneken'ny fiarahamonina iraisampirenena ny fitondram-panjakana...
Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook
Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana aminy sy ny fankahalana an'i Vatikana sy ny Fiangonana Katolika, nosoratany tao amin'ny Facebook. Nisy fanamarihana nosoratan'ireo mpanao gazety ireo...
Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”
Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe "Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!". Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona mpikatroka Hezbollah any Libanona.
Ejipta: Hitan'ilay mpamily Taxi tamin'ny alalan'ny facebook ny tompon'ny fakantsary very
Inona no mety ataonao raha mahita fakantsary ianao, ka hamerina azy amin'ny tompony? Tamin'ny fomba ejipsiana no nanaovan'ilay mpamily taxi ejipsiana iray azy ka nampiasa ny aterineto izy - ary nivaly vetivety izany.
Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena
Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.
Bahrain: Diary an-dahatsary ny herisetran'ny polisy
Raha mbola mitodika any Libya ny haino aman-jery sy ny fihodin'ny tantara any, dia mamely mafy ny mpanao fihetsiketsehana mitady demokrasia kosa ny ny fitondrana any Bahrain. Dimy no maty ny alarobia raha nanafika ny mpanohitra ny fitondrana izay nivory teo amin'ny tsangambato boriborin'i Pearl (Lulu) ao an-drenivohitra Manama ny...