Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2023
Karazam-bokotra vaovao: Filazana dikanteny vita!
Salama daholo, fanavaozam-baovao tselatra izy ity mba hampahafantarana anareo fa nanampy karazam-bokotra vaovao izahay ao amin'ny fandrafetana WordPress Global Voices. Ankehitriny, rehefa misy fandikan-teny mivoaka, dia hahazo mailaka mampahafantatra izany...
Hiteraka disadisa ara-diplaomatika eo amin'i Kazakhstan sy i Rosia ve ny fijoroan'ny yurt iray ao Okraina?
Nipongatra tao Okraina ny yurt kazakh manome fanampiana mahaolona. Raha mahita izany ho fanohanana amin'ny fomba ofisialy an'i Kyiv dia namaly tamin'ny alalan'ny fanerena ny manampahefana kazakh i Moskoa.
Nampisy korontana tany amin'ny lanonam-panatanjahantena iraisampirenena ny Hiram-pirenen'i Hong Kong
Nilaza governemantan'i Hong Kong fa ny Hiram-pirenena "Diaben'ny Volantera any Shina" ny valin-karoka tiany ho avoakan'ilay goavan'ny teknolojia fa tsy ilay hiram-panoherana "Voninahitra ho an'i Hong Kong"
Misokatra indray mialoha ny taombaovao manara-bolana ny sisintany ifanoloran'i Hong Kong sy i Shina
Nosoritan'ny fitantarana ofisialin'i Beijing ho “fiantombohana vaovao” ho an'ny fihariana ny fanokafana indray ny sisintany, anisan'ireo nirohotra hiampita ny sisintany tamin'ny fitodiana an-tanety ny ankamaroan'ireo fianakaviana niaritra fisarahana efa ho telo taona noho ny politika zero-COVID.
Arabia Saodita: Misovoka ao amin'ny Wikipedia ny mpitsikilon'ny governemanta ary manameloka ireo admins mahaleotena ho any am-ponja
Nisovoka tao amin'ny Wikipedia tamin'ny alalan'ny fandraisana ireo mpitantana ambony indrindra ao amin'ny firenena ho mpitsikilony ny governemanta Saodiana hifehezana ny torohay momba ny firenena sy hanenjehana ara-pitsarana ireo nanome vaovao mitsikera momba ireo voafonja ara-politika
Manambara ny Vovonam-Pikatrohana ankihin'ireo Fiteny Maya taona 2023 (11-15 janoary)
Hampiatranoin'ny Rising Voices ny Vovonam-Pikatrohana ankihy (nomerika) ireo Fiteny Maya taona 2023, izay hotontosaina ao amin'ny Mozea Goavan'ny Tontolo Mayana ao Mérida, Meksika ny 11–15 Janoary.
Kianin'ny Filipino mpikatroka ny ‘sivana voapetraka mialoha’ ataon'ny Facebook
Ny fanesorana ireo lahatsoratra dia “mampiharihary ny fomba fampanginana ireo mpikatroka sy revolisionera tsy an-kiato ataon'ny antsoina hoe fenitra ara-piarahamonina ao amin'ny FB.”
Ahoana ny nidiran'ny Lionan'i Atlas an'i Maraoka ho ao amin'ny tantara tamin'ny mondialy 2022
Firenena afrikanina voalohany sady Arabo voalohany ihany koa tafita hiatrika ny manasa-dalana amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany FIFA ny ekipam-pirenen'i Maraoka.
Mitady mpandrindra fandaharanteny ara-politika ny Global Voices
Mitady mpandrindra manantalenta sady manolo-tena izahay amin'ny tetikasa iray hananganana sy handaharan-teny fiarovana ireo fanaovan-dalàna (politika) mizàka ireo vondrom-piarahamonina an-jotra mendri-pitokisana sy rohivoarin-torohay tomady.