Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2014
Selfies, ‘Fihaonana Sandwich’ ary ‘The Hunger Games': Ahoana Ny Ihaikan'ny Mpikatroka Ny Lalàna Miaramila ao Thailandy
Lasa izay ny enimbolana nandrombahan'ny tafika ny fahefana sy nametrahana ny lalàna amin'ny tany miady [miaramila] ao Thailandy. Mandritra izany fotoana izany, mampiasa karazam-pihetsi-panoherana ny jadona miaramila ny olom-pirenena Thailandey.
Herin'ny Masoandro Isan-Tokantrano Mamarana ny ‘Fanavakavahana Ara-Kerinaratra’ ao Bangladesh
Tsy mba manana herinjiro ny 45%-n'ny ao Bangladesh—izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany. Nampiova izany fitongilanan'ny mizana izany ny Tetikasa Masoandro Isam-Baravarana.
Fihovitra Maherin'ny Tany Tao Nagano, Japana Nandratra Olona Am-polony sy Nandrava Fonenana
Efapolo iraika amby ny olona naratra nandritra ny fihovitry ny tany mirefy 6,8, fa tsy nisy ny olona maty. Namoaka ny sarin'ny fitateram-bahoaka tratry ny aizina sy ireo tranombarotra lehibe voakorontany ny mpisera Twitter.
Nametraka Volavolan-Dalàna “Fanafahana Amin'ny Tahotra” Ny Solombavambahoaka avy amin'ny Mpanohitra ao Serbia
Ny antony hampandaniana ity lalàna ity dia miompana amin'ny tsy maintsy ametrahana fiarovana ny fahalalahana sivily izay iantohan'ny Lalampanorenana amin'ny trangan-javatra hanitsakitsahan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta ireo fahalalahana ireo
Ry Mpitia ny Maritranon'i Myanmar, Ataovy Afa-Po Amin'ireto Sary avy any Yangon ireto ny Masonao
Ataovy izay hahafa-po ny masonao amin'ny fahitana ny sarin'ny "harem-bakoka ara-maritranon'i" Myanmar, hita ao Yangon, renivohitry ny firenena teo aloha, ireto.
Niandry ny Taona Manontolo Hahazoana Mofomamin'ny Noely? Tongasoa Eto Japana Tsy Misy Dibera
Ny tsy fisian'ny dibera manakaiky krismasy ihany koa dia niteraka fanaovana sary hampihomehezana amin'ny aterineto ao Japana: Mpitsoa-ponenan'ny dibera.
Videon'ny Hollaback! Maharitra Ora 10 : Izao Ve no Hamaritana Ny hoe Fanorisorenana?
Mafana dia mafana tokoa ny adihevitra nataon'ny mpiserasera tamin'ny lahatsarin'ny Hollaback! nifandresy lahatra ary matetika nifandramatra tamin'ny dikan'ny hoe fanorisorenana sy ny fanavakavahana.
Nofinofy Nivadika Nofiratsy ny An'Ilay Amerikana Mpizahatany Rehefa tao Timor Atsinanana
Stacey Addison, mizaka ny zom-pirenena Etazonia, dia voatazona ao amin'ny fonja iray ao Timor Atsinanana, firenena iray anelanelan'i Indonezia sy Aostralia. Voasambotra ilay mpizahatany raha niara-nandeha tamin'ny mpandeha iray tsy fantany nitondra rongony.
Inona no Tokony Horesahan'ny Mpitondran'Izao Tontolo Izao Mandritra ny Zaikaben'ny G20 ao Brisbane
Nandray ny Zaikaben'ny G20 taona 2014 i Brisbane, Aostralia, tamin'ny 15-16 Novambra. Miady hevitra amin'izay tokony ho laharam-pahamehana ao anatin'ny fandaharam-potoana ny mpiserasera.
Favelan'i Rio de Janeiro Jerena Amin'ny Fakantsary Kapoakan'ny Tanora Mponina ao An-toerana
Ny tetikasa "Mão na Lata" (Tanana eo amin'ny kapoaka) dia tetikasa manaika ny tanora avy ao amin'ny Complexo da Maré handrakitra an-tahirinkevitra ny fiainana andavanandron'izy ireo amin'ny alalan'ny fakantsary kapoaka vita amin'ny boatin-dronono vovony. Manao ahoana ny sary vitany?