Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2023
Andrandraina hampiroborobo fizahantany ny hanarenana indray ireo sambo-trano anjato taonany ao amin'ny Farihin'i Dal ao Kashmir
Nankasitrahan'ny rehetra ny fanapahan-kevitry ny governemanta vao haingana hanaisotra ny fandraràna hanavao tanteraka sy famerenana amin'ny laoniny ny ati-tranon'ireo sambo-trano rehetra efa mihoatra ny zato taona nisiana ao Kashmir.
Misongadina ho sehatra farany ao Kambodza “noana vaovao” ny Kamnotra
Nisy vohikala vaovao natsangan'ny Cambodian Center for Media Independent (CCIM na Foibe Kambodziana ho amin'ny Fampitam-baovao Mahaleotena) ao anatin'ny fanakatonana an-katerena ireo fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fandravana ireo habaka sivily ao Kambodza.
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Nahatonga fihetsiketseham-panoherana sy fahafatesan'olona maro ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy ao Angola
Niakatra avy amin'ny 160 kwanzas teo aloha ho 300 kwanzas isaky ny litatra (avy amin'ny 0,26 dolara amerikana ka hatramin'ny 0,49 dolara amerikana) ny vidin'ny lasantsy taorian'ny filazan'ny governemanta fa hiala tsikelikely amin'ny fanampim-bolan'ny lasantsy
Mbola mitohy ny famoretan'ny fitondrana Belarosiana ny fiarahamonim-pirenena
Mihamiakatra ny isan'ny gadra politika ao Belarosia; araka ny filazan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Viasna, tamin'ny faran'ny volana Jona teo dia 1.496 no nidoboka am-ponja noho ny fiampangana ara-politika.
Ahoana ny hamolavolan'ny media ankihy ny hevitry ny daholobe momba ny fahatezana ara-tontolo iainana ao Nigeria
Tsikaritra tamin'ny tati-baovao fa latsaky ny 0,1 isanjaton'ny lahatsoratra navoakan'ny gazety Nizeriana roa nandritra ny roa na telo volana no niresaka fiovan'ny toetrandro
Mitohy ny fanoherana ao Iran, mamaly bontana ny fitondrana
Raha nivoatra ny fifandraisana tamin'ny Tandrefana, nivoaka hidarodaroka ireo mpikatroka sy mpisintaka, na ao an-toerana na iraisampirenena tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay ny fitondrana Iraniana.
Undertones: Mandray ny fomba fitantarana rosiana amin'izay mahametimety azy ny breziliana
Miantraika amin'ny fomba fijerin'ny breziliana ny ady ao Okraina ny fisaraham-bazana – indraindray amin'ny famihinnana ny fitantarana rosiana
#FeomPanovana: Miray hina ny mponina hanoherana ny tambajotran-jiolahy ao Guerrero, Meksika
Ny herisetra ataon'ny tambajotran-jiolahy sy ny firaisan'ny manampahefana tsikombakomba amin'ireo no mahatonga ity vondrona ity hisolovava ao amin'ny media sosialy.
Aiza i Wanchelearm Satsakit? Ny fikarohana ilay thailandey mpikatroka nalaina an-keriny tao Kambodza nanaovany sesitany
Mifandraika amin'ny fanjavonan'ireo mpikatroka valo hafa nialokaloka nanjavona ny raharaha Wanchalearm, efa hita y vatana mangatsiaka an'ireo telo