Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2007
Tontolo iainana : Fanamaitsoana an’i Nairobi sy mety hakana tany ao antendrombohitry Kenya.
Misy vaovao tsara sy vaovao ratsy avy eto Kenya. Ny vaovao tsara aloha dia ny handravahana zavamaitso [zavamaniry] ny renivohitra Nairobi, ary ny vaovao ratsy kosa dia ny mety hakana tany na handavahana tany amin’ny toerana manodidina ny Tendrombohitra Kenya. Hojerentsika ao amin’ny GV tontolo iainana ny momba izany tantara...
Oganda : Bilaogera nikopak’elatra noho ny tahotra
Efa nosoratana teto amin’ny Global Voices ny hevitra feno fihantsiana nataon’ny bilaogera sy mpanolotra fandaharana amin’ny onjam-peo Ogandey Dennis Matanda momba ny kolontsaina afrikana, ny (filoha) Idi Amin ary ny momba ny fiverenana hisian'ny fanjanahantany indray izay efa nosoratana teto amin’ny Global Voices. Dia mbola niteraka resabe ihany ny fanaony...
Bahamas: Ny setrin'ny heloka bevava?
Ny mpikarajia amin'ny onjam-peo maro no mihevitra fa ny fanamafisana ny fanamelohana ho faty no ahafahana misoroka ny fitombon'ny heloka bevava. Miezaka hanazava ny heviny izay mifanohitra amin'izany fironan'ny be sy ny maro izany kosa i Rick Lowe ao amin'ny weblogBahamas.com. Sombiny kely holazaiko voasoratra ao ny hoe misy andraikitry...
Colombia: Niatrika ny Fitsarana faratampony ny filoham-pirenena Uribe
Niseho tao amin’ny fahitalavi-pirenena [kolombiana] ny Filoha Álvaro Uribe Vélez ny alatsinainy 8 oktobra nanambara fa vao noampangaina ho nibaiko ny famonoana ny lehiben’ny milisy mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe René ny tenany. Hoy ny Reuters, The court, which is probing dozens of Uribe's political allies on charges they supported...
Korea: Efitra fanovozam-baovao sy fahafahan'ny gazety
Nanapa-kevitra ny hanakatona ny Efitra Fanovozam-baovao ho an’ny Haino aman-jery araka ny efa nolazainy mialoha ny governemanta Koreana Tatsimo ny 12 oktobra lasa teo. Nanohitra izany tamin’ny heriny manontolo ny mpanao gazety ary nanasokajy io tranga io ho any amin’ny fahafahan’ny mpanao gazety Koreana ny Gazety iraisam-pirenena. Ahoana hoy ny...
Pakistana Taitran’ny Fanafihana
Tamin’ny fiverenan-dramatoa Benazir Bhutto, praiminisitra teo aloha, avy any an-sesitany valo taona sy tapany, dia filaharam-bahoaka manohana azy anarivony maro sy mpanao vivery ny ainy roa nanapoaka ny baombany no nitsena azy. 136 no maty noho izany fanafihana izany. Nitovy avokoa ny fanambarana nataon’ny mpanao politika Karana hatramin’ny ampitso maraina,...
Tonizia : Raofina eo an-tseranana ny bokin’ny bilaogera
Raha niverina hody tany Tunis avy tany Le Caire tamin’ny herinandro teo ny bilaogera Zizou from Djerba dia nahazo nihoatra noho ny firariana tonga soa nandrasany. Teo an-tseranam-piaramanidina tao Tunis dia nohodidinina mpiasan’ny Ladoany sy manamboninahitra I Zizou ka nosavaina tsara any entany, boky roa no notazonina tamin’izany. Tsy gaga...
Pakistana: Bilaogy itazonana
Mialoha ny zava-drehetra dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fialan-tsiny aminareo mpamaky ny Global Voices no hanoratako ity lahatsoratra ity hatramin’izay nanjavonako nandritra ny volana maro izay. Indrisy manko fa tsy mahita antony mari-pototra aho noho izay tsy nanoratako fotoana lava izay ankoatra ny filazana aminareo ny marina. Nisy naka an-keriny...
Pop!Tech ho Iraisam-Pirenena sy ho amin’ny fiteny maro
Efa tapaky ny volana oktobra sahady isika ary amin’ny toerana maro amin’ny ila-bolatany avaratra dia efa mivoaka tany amin’ny nampirimana azy amin’izay ny akanjo mafana ary efa mihintsana ny ravina manopy mavo sy mena. Fa izao koa ny fotoana hivorian’ireo mpandalina ny hay, ny mpampilatro na mpaneho antsary ny zavatra...
Blog Action Day: Feon'i Afrika sy ny diaspaora
Anio dia lohahevitra tokana no hobanjinin’ny mpibilaogy maro dia ny tontolo iainana. Nandray anjara betsaka tamin’ny alalan’ny endrika sy fomba fanoratra samihafa ireo mpibilaogy avy eto Afrika sy avy any ampielezana. Ireto manaraka ireto ny rohy sy ny sombiny avy ao Kenya, Afrika Atsimo, Nizeria ary avy amin’ny hafa ihany...