Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andriamifidisoa Zo · Novambra, 2010

Bilaogera amin’ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an’ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin’ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2010

25 Novambra 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna...

21 Novambra 2010

Madagasikara: Fikasana hanongam-panjakana mandritra ny referandaomy

Notanterahina teto Madagasikara tamin'ny 17 novambra 2010 teo moa ny fitsapan-kevi-bahoaka nampiady hevitra ny olona izay takon'ny filazana fanonganam-panjakana tsy nisy ra mandriaka indrindra hatramin'izao nitranga teto amin'ny nosy.

09 Novambra 2010

Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Kiobà: Fiaraha-mientana an-tserasera taoriana fianjerana voromby

Nisy voromby nianjera tany akaikin'ny tanànan'i Guasimal, miorina eo ho eo amin'ny 15 kilometatra avy eo amin'ny faritanin'i Sancti Spiritus afovoan'i Kiobà. 68 ny isan'ny maty. Minitra vitsivitsy toriana dia nifampita vaovao momba ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity tamin'ny alalan'ny Twitter ny Kiobàna.

Haiti: lahatsary mety mahavonjy aina

Indroa nitsidika an'i Haiti hirotsaka an-tsitrapo hanao izay vitany any an-toerana ilay farmasiana vavy mipetraka any San Francisco sady mpamaham-bolongana Dr. Jan Gurley hatramin'ny nisian'ny horohorontany tamin'ny 12 Janoary. Nifanandrify tamin'ny nielezan'ny valan'aretina cholera izay nahafatesana olona an-jatony sy an'arivony nampidirina hopitaly indray hatramin'ny nipoiran'ny trangan'aretina voalohany ny 19 oktobra...

Jordania: Hifidy sa tsy hifidy?

Miady hevitra amin'izay mahamety ny hifidianana na tsy hifidianana mpikambana parlemantera hotontosaina ny 9 novambra 2010 ity ny fiarahamonin'ny Twitter Jordaniana.

07 Novambra 2010

India: Obama bemanadala

Any India, anisan'ny firenena teteziny any amin'ny faritra maharitra folo andro any Azia, amin'izao fotoana izao ny filoha Amerikana [Etazonia] Barack Obama ary nahaliana ny olona 1,2 lavitrisa ao amin'ity firenena ity izany. Voatantaran'ny fampahalalam-baovao Karana Indiana avokoa ny fihetsika kely ataon'i Obama any India ary dia miresaka momba izany...

Maorisy: Vakio ny tontolom-bolongana maorisiana

Nizeria: Ohabolana Haosà ao anaty tontolom-bolongana