Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2019
Ahoana moa no andrahonan'ny fanomezan'i Etazonia fitaovam-piadiana an'i Arabia Saodita ny fandriampahalemana sarotra azo ao Sodàna
Vatsian'ny Saodiana vola sy fitaovam-piadiana ny RSF, koa raha manohana ny fifanaraham-barotra fitaovam-piadiana amin'i Arabia Saodita i Etazonia dia efa manohana ihany koa ny RSF izany ry zareo.
Mandeha an-tongotra amin'ny araben'i Japan ao amin'ny YouTube miaraka amin'i Rambalac
"Ho fanalana andro sy ho antony fanampiny hivoahako ny trano fotsiny no nanombohako nandraketako horonantsary ny fandehandehanako an-tongotra."
Fiovana eo amin'ny fitarihana ny Lingua Paortiogey sy Frantsay!
Lasa vehivavy misolo vehivavy ny fitarihana amin'ireto ekipa roa ireto!
Fantaro i Davy Nlovu, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'i 17-23 jolay
Andao hofantarintsika bebe kokoa ny momba an'i Davy Nlovu, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 17-2 jolay 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Tjwao.
Fantaro i Bonface Witaba, mitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 10-16 jolay
Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Bonface Witaba, mitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 10-16 jolay 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Swahili.
Fifidianana ankapobeny Indoneziana 2019: Hetsika tsy manam-paharoa avy amin'ireo andiana fanentanana
Araka ny lazain'ny mpandini-draharaha Aostraliana Lowy Institute, niavaka i Indonesia amin'ny fanatanterahana ao anatin'ny andro iray ny fifidianana lehibe indrindra ao amin'ny firenena iray demaokratika.
Ao amin'ny Fanjakana Britanika, mankalaza ny faha-17 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Timor-Leste ny Timorey
Nandray ny lanonana "20 mey" izay nomanin'ny Timorey monina ao amin'i UK ny Oniversiten'i Oxford Brookes, ao an-tanànan'i Oxford, UK.
Mandray ny anaran'ireo Venezoeliana mitady fialofana i Trinite sy Tobago mba haha-ara-dalàna azy ireo
Fandraisana an-tanana maharitra roa herinandro, izay nanomboka tamin'ny 31 mey 2019 no manome famotsoran-keloka ireo Venezoeliana tsy manan-taratasy mba ahafahan-dry zareo misoratra anarana sy ankatoavina ao Trinite sy Tobago.