Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2014
Manindry Mafy ny WeChat Sy ny Fampihatra Hafa Fizarana Hafatra Eo Noho Eo i Shina
Manenjika ireo sehatra fandefasan-kafatra tonga eo noho eo i Shina mialoha ny tsingerintaona faha-25 ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia notontosaina teo amin'ny kianjan'i Tiananmen.
Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy
Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.
“Ahoana no handoavantsika Malagasy ny fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanafody ho an'ny ankizy ?”
Tojo Fehizoro, Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy...
Mpihira Hafa ao Shina Nosamborina Noho Ny Fanandratana Ny Mari-Panondroana Sy Ny Kolontsaina Tibetana
Manaraka ny fisamborana tany Shina an'ilay Tibetana mpihira Gepe ny fitetezana ny lahatsary YouTube-n'ny hiran'ireo nosamborina tahaka izany.
Mifaninana Amin'ny Fifidianana Eoropeana Ny Olona Manana Fahasembanana Sy Ireo Manana Aretina Tsy Fandre
"Izahay dia vondron'olona tratra mivantana na ankolaka amin'ny fahasembanana na aretina tsy fandre, navondron'ny tanjona iraisana — hanatsara ny androm-piainan'ireo izay iharan'ireo toe-javatra ireo."
SARIPIKA: Hafatra Artistikan'ny Mozea Palestiniana Iray Hoan'ny Papa
Nampiarahan'ny "The Palestinian Museum" tamin'ny afisy lehibe ny kisarisary Kristiana sy ny fijalian'ny Palestiniana ho fanairana ny Papa Fransoà amin'ny fitsidihana ataony any amin'ny Tany Masina.
Mientanentana Izahay Amin'ilay Endrika Vaovao—Antenainay Fa Tahaka Izany Koa Ianareo
Raha eo am-pamakiana ny habaky ny Global Voices ity ianao, dia mety hahatsikaritra fa misy endrika vitsivitsy niova kely izy izany. Faly izahay Manolotra anareo ny habaka Global Voices vaovao nohatsaraina.
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
PetroPalestina: Fifandonana Hafa Eo Amin'ny Mpanohana Sy Ny Mpanohitra An'i Chavez Ao Venezoela
"Inona ny tombony azontsika amin'ny PetroPalestine?", Hoy ny fanontanian'ny Venezoelana any amin'ny media sosialy rehefa nanambara ny fifanarahana handefa solika sy gazoala any Palestina ny governemanta.
Diezy Mpangalatra i Mubarak No Nitsena Ny Didy Mampigadra Azy Telo Taona
Voaheloka telo taona noho ny fanaovana kolikoly ny filohan'i Ejipta teo aloha Hosni Mubarak noho ny fanodikodinana volam-panjakana. Manontany tena ny bilaogera hoe maninona no maivana dia maivana ny didy fanamelohana.